Nanaitra Ireo Mpampiasa Aterineto ny Fandraisan'i Timor Atsinanana Anjara Anatin'ny Lalao Olaimpika any Rio

Ny 5 Aogositra lasa teo no nanatanterahana ny lanonam-panokafana ny Lalao Olaimpika 2016, tao amin'ny kianjan'i Maracanã, any Rio de Janeiro. Tamin'ny andro fahadimin'ny fifaninanana, nahazo medaly roa i Brezila, raha toa kosa ka iray no azon'i Pôrtiogaly.

Nanaitra momba ny fiarovana ny zavaboahary ilay lanonam-panokafana, raha maro kosa ireo firenena nihaona tao anatina fotoana filanonana izay dia nadritra io dia navelan'izy ireo ny fifandrafiana miraikitra tsy afa-miala amin'ny fifaninana ary nampitodika ny fijerin'izy ireo tany amin'ny firaisankina eo amin'ireo firenena eran-tany. Firenena maro te-hiavaka amin'ny alàlan'ny fitafiana manokan'ny delegasiona tsirairay.

I Thailandy anaty lamba landy, fomba fianjaika tena tsara. Babon'ny akanjon'ny Repoblika Tseky. TSARA BE i Timor any amin'ny avarat'i Indonezia. Aiza no misy an'i Togo?

Araka izany, ny an'i Timor Atsinanana dia nanao diabe tamin'ny sikina nenti-paharazany  – tahaka an'i Môzambika sy i Angolà -, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe « Tais » [anglisy], ary hita teny amin'ireo atleta timorey nandritra ny matso filaharana.

174 TIMOR ATSINANANA : Izany ka fitafy tsara ! Antenaiko fa nitehaka azy ireo ny mpijery teo amin'ny kianja, satria namana hafa avy amin'ireo zanatany pôrtiogey taloha izy ireo.

Araka ny voalazan'ilay mpihazakazaka olaimpika Francelina Cabral – fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Anche Cabral – dia i Rui de Carvalho no nanao ny sarin'ireo fitafy ireo, izay dia Timorey stylista te hampahafantatra an'izao tontolo izao ny « Tais » amin'izao fotoana, voaravaka haingo timorey, « fomba iray anamafisana ny maha izy azy anay », hoy ilay atleta tamin'ny Global Voices.

Ny fihetseham-pon'ireo Timorey sy ny hagagan'ireo mpampiasa aterineto

anche

Notarihin'i Anche Cabral ny delegasiôn'i Timor Atsinanana, izay, tamin'ity sary ity, dia mampiseho amin-tsiky mamirapiratra ny hafaliany tonga amin'ny Lalao Olaimpika, raha toa ka manevaheva ny sainam-pireneny izy.

Naneho ny fihetseham-pony ireo Timorey raha nahita ny delegasiôn'ny taniny nanao diabe tanatinà fifaninana lehibe toy izao.

Tao amin'ny kaonty Facebook-n'ny Filohan'ny Repoblikan'i Timor Atsinanana taloha, José Ramos-Horta – izay nizara sarin'ilay lanonana – dia nihetsika tamin'izany i Maria Pereira ka naneho ity hevitra ity:

Para mim, já são vencedores… Só aquele sorriso lindo e tão cheio de alegria…

Amiko, efa mpandresy sahady izy ireo… Izato tsiky tena feno hafaliana…

Niteny kosa i Ofélia Vinhas :

Boa sorte minha irmã, viva Timor-Leste.

Mirary soa ry rahavaviko, ho ela velona i Timor Atsinanana.

Raha toa kosa ka nanampy i Lino Dias :

Boa sorte a Timor Leste, estamos à espera [que] o nosso país amado (…) [mostre] o seu brilho para [o] mundo.

Mirary soa an'i Timor Atsinanana, manantena izahay fa hampiseho ny hatsarany amin'izao tontolo izao ny firenena malalanay.

Tao amin'ny Twitter Breziliana, tohina tamin'ny fahitana ny delegasiôn'i Timor Atsianana nanao diabe tao amin'ny kianjan'i Maracanã ireo mpampiasa aterineto :

Rehefa nahare aho fa nandefa delegasiona ho an'ny Lalao Olaimpika any Rio i Timor Atsinanana, dia faly be aho.

Tsara re izany, any amin'ny Lalao Olaimpika i Timor Atsinanana – manatrika ny Lanonam-panokafana ny Lalao Olaimpika any Rio 2016 aho

I Timor Atsinanana any amin'ny Lalao Olaimpika

I Timor Atsinanana dia firenena iray sady tanora no kely izay, taloha, voatery nanamarina ny maha izy azy teo anatrehan'izao tontolo izao tao aorianà fijaliana am-polo taona, hatramin'ny fahaleovantenany tamin'ny 2002. Malaza amin'ny « fahafahany manohitra mba handresena »  ny mponiny noho izany, tahaka ny voalazan'ny iray amin'ireo mpitarika azy ara-tantara, Xanana Gusmão.

Tamin'ny 2004 no fotoana voalohany indrindra nanasana an'i Timora Atsinanana handray anjara anatin'ny Lalao Olaimpika any Athènes, Gresy. Nandray anjara tanatin'ny atletisma miaraka amina delegasiona kely ary ny firenena. Tafiditra tao anatin'ireo atleta nametaka ny atiakanjo timorey i Agueda Amaral sy i Gil da Cruz Trindade.

Any Laondra, ho an'ny Lalao Olaimpika 2012, niverina niseho tanatin'ny atletisma i Timor. Nisolo tena ny firenena timorey i Augusto Soares (izay nahavita ny hazakazaha lavitra ezaka nitana ny toerana alohan'ny farany) ary i Juventina Napoleão (izay nitana ny toerana faha-86). Nandefa ity hafatra manaraka ity ho an'ireo Timorey mpiara-miasa aminy ilay mpihazakazaka lavitra ezaka taloha:

Mensagen b  sira  katak  nudar atleta nbe reprezenta hodi ita  nia rain Doben Timor Leste b participa ih jogos  olimpicos ne tau  imi nia diciplina nudar atleta tamba liu husi diciplina imi  bele kompete ho diak liliu b  hw nia  feto maluk nain  2 francelina  cabral no nelia  Martins! Forca Timor Leste”

Ny hafatro ho an'ireo atleta misolo tena an'i Timor Atsinanana malalantsika anatin'ireo Lalao Olaimpika ireo dia ity manaraka ity: tazony ny fifehezana amin'ny maha atleta anareo, satria amin'ny alalan'io fifehezana io no ahafahanareo manatanteraka fampisehoana tsara indrindra. Ho an'ireo mpiara-miasa amiko anakiroa, Francelina Cabral sy Nelia Martins ! Ho ela velona i Timor Atsinanana.

Soloin'ireo mpanao fanatanjahantena Augusto Soares, Nélia Martins sy Francelina Cabral [frantsay] tena i Timor Atsinanana mandritra ireo fifaninana atletisma sy hazakazaka bisikileta. Araka ny voalazan'ny fikambanana Rio2016 [frantsay], ny fandraisan'ilay vehivavy atletany anjara dia hotaterahina ny 12 Aogositra, ny 16 Aogositra ho an'ny mpisolo tena lehilahy, raha toa kosa ka ny 20 Aogositra no hanaovana ny Cross Country ho an'ny VTT [français].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.