Kostà Rikà Miresaka Momba an'i Arias, Sabina ary CAFTA

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tao anatin'ny tapa-bolana, niresaka momba ny CAFTA, mozika sy fitarainana vitsivitsy momba ny lalana sy ny fako ny bilaogy Kosta Rikàna. Ireo roa farany ireo no olana mampanahy ny olona eny an-dalambe ary toa tsy mampiraika ireo manana fahefana.

Somary nangingina ny fitroarana tamin'ny diabe AntiCAFTA. Noho ny zava-nitranga mitokana saingy misy ifandraisany ny hetsika bilaogy amin'ity herinandro ity: ny fisehoan'i Oscar Arias tamin'ny fampisehoan'i Joaquín. (ato ny vaovao ao amin'ny Wikipedia momba ilay mpanakanto)

Naneho hevitra voalohany momba ny hetsika ireo bilaogera:
Lau Fu ao amin'ny La fuente clandestina

La noche del 8 de noviembre un Palacio de los Deportes lleno de sabineros hasta el copete gritó para calentar las cuerdas vocales antes del concierto: ¡No, no al TLC! y ¡Fuera, fuera hp…!, furibundas exclamaciones que tuvieron como blanco al más alto representante de Costa Rica -como lo llamó Joaquín Sabina-, el presidente Oscar Arias.

Ny harivan'ny 8 Novambra, feno “sabineros” tanteraka ny toerana misy ny fampisehoana, nihiaka sy nanafàna ny tadim-peon'izy ireo talohan'ny fampisehoana izy ireo: Tsia ho an'ny CAFTA! Mialà! Mialà! SOB …!Horakoraka izay mikendry ny solontena ambonin'i Kostà Rikà – toy ny niantsoan'i Joaquín Sabina azy, ny filoha Oscar Arias.

Manohy ny tantara i Furia de mais:

Unos 4 gatos que sonábamos como miles… el malparido, el vende patrias, el viejo verde, el cabrón -que me acompañe la virgen del Carmen, esto es la Interné-… Y yo pensaba que no era posible… no era posible que este mae me cierre el año con una cagada tan jórrida: primero se roba las elecciones, me hace pasar 12 meses de mierda con su prepotencia vil y chueca, y para colmo de males, me llega a joder la vida al concierto de Juaco! ¡Misericoldia señol, misericoldia!…

Vitsivitsy izahay saingy toa toy ny feon'olona an'arivony… ilay zazasary, mpivarotra ny  tanindrazantsika, mpanenji-body, ilay mpamely reny hiaro ahy anie ny Virijin'i El Carmen, izany ny aterineto – … Ary nieritreritra aho fa tsy tokony hitranga izany … tsy hahavita hanimba ity taonako ity amin'ny fomba mahatsikaiky toy izao ity lehilahy ity: voalohany, nangalatra izy tamin'ny fifidianana, mahatonga ahy handany 12 volana any amin'ny helo miaraka amin'ny faharatsiany sy feno avonavona ary manakorontan-javatra bebe kokoa , tonga hamotika ny fiainako izy tamin'ny fampisehoan'i Juaco. Mamindrà fo Tompo ô! Mamindrà fo!

Mariela nanoratra momba ny faharatsian'ny fikarakarana ny hetsika. Manomboka amin'ny tsipika manasaraka manavakavaka ny vavy izay naharitra hatrany mba hahatonga ny olona ao anatiny, ka hatramin'ireo mpiambina hasiaka sy hahery setra ary ny ambiansy ankapobeny.

Cristian Cambronero in Fusil de Chispas contrasts two concerts that share one character and characteristic: Oscar Arias.

Miércoles. Reunido para oir a Sabina, un puño de gente aprovecha la ocasión para abuchear al presidente Arias y gritar consignas contra todo: el tlc. Una polada risible.
Viernes. Reunido para oir a Perales, un puño de gente aprovecha la ocasión para ovacionar al presidente Arias. Una polada per se.

El escenario: el mismo. Costa Rica. La polada, bonita.

Alarobia: Nivorivory mba hihaino an'i Sabina, olona vitsy no manararaotra izany mba hanakora ny filoha Arias ary koa fanononana teny filamatra manohitra ny zava-drehetra: CAFTA. Firaketana mampihomehy.

Zoma: Nivorivory mba hihaino an'i Perales, olona vitsivitsy no manararaotra izany mba hihoby ny  filoha Arias. Miraikitra tsotra izao fotsiny.

Ny sehatra: mitovy. Kostà Rikà. Miraikitra. Tsara.

Misy mihitsy aza ny lahatsary youtube tamin'ny fampisehoan'i Sabina ahitana ny fahatongavan'i Arias.

Pancho Varona, izay niaraka tamin'i Sabina, nanoratra tao amin'ny bilaoginy (via por la boca)

Resumiendo, todo resulta simpáTICO en este país centroamericano regido por un presidente premio nóbel de la paz que se llevó una tremenda pitada cuando Joaquín lo nombró en el concierto, ya que el presidente Arias vino a vernos.

Raha fintinina, mpanohananyTICO ny zava-drehetra ao amin'ity firenena Amerikana Afovoany ity, izay fehezin'ny filoha nahazo loka nobel-n'ny fandriampahalemana sy nahazo horakoraka miavaka raha nanonona ny anarany tao amin'ny fampisehoana i Joaquín, satria tonga hijery antsika ny filoha Arias.

Uri Riddleman ao amin'ny bilaogin'i Tiquicia nanoratra momba ireo lavaka goavambe eny amin'ny arabe Kostà Rikàna.

Julia Ardón nanoratra momba ny halozan'ny olona manankarena miady amin'ny fahamendrehana mangina an'ireo olona mandehandeha eny amin'ny fako mba ho tafavoaka velona.

Tao amin'ny bilaogin'i Julia Ardón ihany, nanoratra momba ny fitomboan'ny faritra fivarotana malalaka any Nikaragoà izy.

El otro día vi los datos del salario mínimo en las textileras de Centroamérica . Mientras el nuestro es el más alto con $ 225 aprox por mes para cada trabajadora, el de Nicaragua es el más bajo con $ 72.
¿ diay? Cómo no se van a ir para allá las compañías extranjeras?
¿Qué hacer entonces para ser “más competitivos”?
¿Bajar los salarios, limitar las garantías sociales?
O más bien….hacer inversión social en educación, salud, cultura, infraestructura , telecomunicaciones? Para qué? Pues para que las compañías de afuera que vengan aquí vengan a buscar “calidad” y no “cantidad” de mano de obra barata y desechable…

Ny andro hafa, hitako ny antontan'isa momba ny karama farany ambany indrindra any amin'ireo trano fiasàna miafina ao Amerika Afovoany ireny. Raha ny antsika no avo indrindra izay eo amin'ny 225 dolara isam-bolana ho an'ny mpiasa tsirairay, ny ambany indrindra any Nikaragoà dia 72 dolara.

Ka? Ahoana ireo orinasa vahiny no tsy mankany?
Ny karama ambany kokoa, mametra ny mahasoa ara-tsosialy?
Na koa … mampiasa vola amin'ny fampianarana, fahasalamana, kolontsaina, fotodrafitrasa, fifandraisandavitra? Nahoana? Amin'izay ireo orinasa any ivelany tonga eto mahita kalitao fa tsy habetsahan'ny asa mora sy azo ariana…

Gabriela Zamora Sauma ao amin'ny Por la boca:

El tratado de libre comercio con Estados Unidos (Cafta, por sus siglas en inglés) no le conviene a Centroamérica; no todavía. Lo dijo la Junta de Notables meses atrás, pero ya lo había dicho la Organización de Naciones Unidas (ONU).

La ONU afirmó que el Cafta tendrá resultados poco equilibrados, otorga un acceso limitado al mercado estadounidense para los seis países de la región y compromete la salud pública y la innovación tecnológica.

Ny fifanarahana ara-barotra malalaka miaraka amin'i Etazonian'i Amerika dia tsy manome tombony ho an'i Amerika Afovoany: mbola. Nolazain'ireo olom-boafidy izany mba handinika momba ny CAFTA sy Kostà Rikà, saingy efa nolazain'ny Firenena Mikambana (ONU) izany

Nilaza ny Firenena Mikambana fa mety hanana vokatra tsy mifandanja ny CAFTA, ary manome fidirana voafetra amin'ny tsena Amerikana ho an'ireo firenena enina ao amin'ny faritra izy ary manimba ny fahasalamam-bahoaka sy ny fanavaozana ara-teknolojia.

SirenaCanta namoaka famintinana momba ny zava-mitranga manerantany izay mamintina tsara ny fomba fijeriny mikasika ny toe-draharaha misy ao amin'ny ila bolantany:

Ganó Lula en Brasil (por suerte el castigo no le salió por la culata a la izquierda brasileña)
+
Seguramente ganará Chávez en Venezuela
+
Está Evo Morales en Bolivia
+
Kirchner está en Argentina (que no es nada servil, no crean)
+
Tabaré Vásquez en Uruguay (Como dice Sole, Tupamaro de verdad.
Yo digo que la gente espera más de él pero ¡se hace lo que se puede!)
+
Ganó Ortega en Nicaragua
+
Fidel no ha muerto…
+
Guatemala no quedó en el Consejo de Seguridad

¡el nido de los halcones está alborotado! y como perdieron el poder se preguntan “¿y ahora quién podrá ayudarnos?”

Nandresy tao Brezila i Lula (soa fa tsy nankany amin'ny Breziliana ankavia ny sazy
+
Azo antoka fa handresy ao Venezoelà i Chavez.
+
Ao Bolivia i Evo Morales
+
Ao Arzantina i Kirchner (tsy tena manandevo izany)
+
Tabaré Vásquez ao Orogoay (Araka ny nolazain'i Sole, Tupamaro tena izy. Milaza aho fa manantena zavatra maro avy aminy ny olona, saingy manao izay azonao atao ianao!)
+
Nandresy i Ortega tao Nikaragoà
+
Tsy maty i Fidel
+
Tsy voafidy tao amin'ny Filan-kevi-piarovana i Goatemalà

Voahelingelina ny akanim-borona! ary satria very fahefana izy ireo, dia manontany hoe. Ankehitriny, iza no hanavotra anay?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.