Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jolay, 2016
Ny Tanjon’ny Mpaka Sary Iray Mba Hanova Ny Fomba Fijerin’ny Olona Ireo Sisa Tsy Matin'ny Dotra
"Ho ahy, manome aingam-panahy daholo izy rehetra. Tsy niharam-boina izy ireo. Sisa tsy maty izy ireo. Mpiady. Ara-bakiteny, faly izy ireo."
#TsyMatahotraAhoNyHilazaIzany: Milaza ny Herisetra Ara-nofo Niainany Ny Vehivavy Ao Amin'ny Media Sosialy Okrainiana
Malaza ao amin'ny ampahan'ny Facebook Okraniana ny tenirohy vaovao #ЯНеБоюсьСказати (#tsy matahotra ny hilaza izany aho). Amin'ny tenirohy, nizara ny tantarany sy ny zavatra niainany momba ny sotasota ara-nofo, herisetra ara-nofo, sy ny herisetra an-tokantrano ny mpiserasera.
Tsy Mitsahatra Ny Adin'ny ‘Fanadiovana Kabone’ Eo Amin'ny Kyrgyzstan Sy Kazakhstan
"Eny ,mety hoe kabone no diovinay, kanefa asa madio izany . Tsy mivarotra ny tenanay izahay . Mamelona ny fianakavianay izahay amin'izany ary mandray anjara indrindra amin'ny toe-karen'ny Kyrgyzstan"
Cote d'Ivoire: Profesora Irany Nanampy Mpianatra Iray Manala Fanadinana Tamin'ny Fibabena Ny Zanany
Namoaka ny sarin'ny profesora Honoré Kahi miaraka amin'ny zaza nobabeny tao an-damosiny sady manome fampianarana momba ny fanentanana ny fandraharahana tao amin'ny Oniversiten'i Bouaké ny pejy Facebook Tranonkalan'ny Fihaonan'ny Mpianatra ao Afrika ny 29 Jona 2016, , ka nahatonga resabe teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoariana . Raha nantsoin'i TV…
Mpanampy Mpitsabo, Mpivarotra Hani-masaka, Moto-taxi Ary Reny Faharetana : Fatoumata Diaby No Mariky Ny Fikirizana Te-Ho Tafita Ao Mali
Tafa niarahana tamin'i Fatoumata notontosain'i Boukary Konaté ho an'ny Global Voices
Vehivavy Mifindra Monina Misedra Sy Miezaka Mitraka Amin'ny Herisetra Ara-nofo Mandritry Ny Fandehanana Mankany Etazonia
Araka ireo tatitra sasany, voaolana ny 80% n'ireo vehivavy avy any Amerika Afovoany manandrana ny hiampita an'i Meksika.
Hita Ho Tsy Tantin'ireo Vehivavy Venezoeliana Ny Tenitenenin'ilay Vehivavy Vadin'Olona Ambony
Rehefa nokianin'i Diana D'Agostino, vadin'ny filohan'ny Antenimieram-Pirenena Venezoeliana, ireo vehivavy miasa ao amin'ny governemanta, tamin'ny fiantsoana azy ireny ho "ratsy fitafy, maloto, na mivezivezy eny rehetra eny nefa tsy manao ankosotra,” toa tsy nosaininy mialoha mihitsy hoe ho ratsy ny fandraisana ny fanamarihana nataony rehefa tonga eny anivon'ny vahoaka
Manan-Javatra Iray Na Roa Hambara Ny Mpitsikera Ny Fahitalavitra “Tsy Mitaiza” Any Pakistana
Namoaka taratasy "fangataham-panazavàna" mikasika ilay tantara mitohy mampihoron-koditra izay mitantara ny olan'ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy ho an'ny fahitalavitra ny Manampahefana Mpandrindra ny haino aman-jery elektronika any Pakistana.
Natiora, Maha Olona, Ary Zavatra Hafa ianaranao Amin'ny Fanaovana Horonantsary Famakafakàna Any Meksika, Eo Imoron'ny Reniranon'i Usumacinta
Vehivavy Espaniola, mpanao horonantsary famakafakàna, nanaraka ny tantaran'ireo mpikambana roa tao amin'ny vondrom-piarahamonin'i El Remolino, izay ahitàna làlana manokana, ady amin'ny natiora, ary fifikirana amin'ny maha-izy azy ara-pananahana.