Cote d'Ivoire: Profesora Irany Nanampy Mpianatra Iray Manala Fanadinana Tamin'ny Fibabena Ny Zanany

Le Prof. Honoré Kahi, de l’université Alassane Ouattara de Bouaké a devenu célèbre sur les réseaux sociaux en portant sur son dos le bébé d'une des étudiantes pour permettre à la maman de suivre son cours. Source: Site De Rencontre Des Etudiants De L'afrique

Lasa nalaza tao amin'ireo tambajotra sosialy i Ramose Honoré Kahi, ao amin'ny Oniversiten'i Alassane Ouattara ao Bouaké, nibaby ilay zazakelin'iray tamin'ireo mpianatra mba ahafahan'ilay reniny hanohy ny fianarany.Sary avy amin'ny tranonkalan'ny Fihaonan'ireo Mpianatra ao Afrika.

Namoaka ny sarin'ny profesora Honoré Kahi miaraka amin'ny zaza nobabeny tao an-damosiny sady manome fampianarana momba ny fanentanana ny fandraharahana tao amin'ny Oniversiten'i Bouaké ny pejy Facebook Tranonkalan'ny Fihaonan'ny Mpianatra ao Afrika ny 29 Jona 2016, ka nahatonga resabe teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoariana. Raha nantsoin'i TV frantsay ilay profesora dia nilaza hoe :

C’est assez fréquent que des jeunes filles viennent avec leurs enfants en classe. Mais ce jour-là, le bébé de cette étudiante ne cessait de pleurer. Elle est sortie à trois reprises de la salle pour essayer de le calmer, en vain. Au bout d’une trentaine de minutes, je lui ai dit que c’était un cours très important pour son avenir et que pour moi, il fallait qu’elle soit bien concentrée. Je lui ai donc proposé mon aide.

J’ai donc attaché le bébé dans mon dos. Immédiatement, il s’est tu, bercé par les va-et-vient que je faisais pour continuer mon cours, et s’est même endormi ! J’ai pu continuer mon cours pendant une quarantaine de minutes sans aucun problème. Mon étudiante m’a dit qu’elle était très touchée par ce geste et qu’elle avait été très surprise car il y a généralement une certaine distance entre les étudiants et les professeurs.

Pour tout dire, je suis assez étonné de l’engouement autour de ce geste, car c’était vraiment spontané. Des étudiants ont pris des photos car ça les amusait : dans l’imaginaire collectif, on associe d’habitude ce type de porté du bébé à la “mama” africaine… C’est assez rare de voir un homme, qui plus est un enseignant faire ça. J’ai reçu des coups de fils de gens de France, de Côte d’Ivoire, du Mali qui me disent que l’image leur a fait du bien. Je crois que ce que fait un enseignant, pour créer du lien social avec ses étudiants, est aussi important que le contenu de ses cours.

Misimisy ihany ny ankizivavy tonga miaraka amin'ny zanany any am-pianarana. Fa tamin'izay andro izay, tsy nijanona nitomany ilay zanak”ilay mpianatra. Nivoaka in-telo ny efitrano fianarana izy niezaka mampangina azy fa tsy nisy vokany. Nilaza taminy aho rehefa afaka telo-polo minitra fa tena zava-dehibe ilay fanazavana ho an'ny ho aviny sy ho ahy, noho izany tsy maintsy tokony hifantoka tsara izy. Nanolotra fomba fanampiana azy aho noho izany.

Nofeheziko tao an-damosina ilay zaza. Ary niaraka tamin'izay dia nangina izy, nandrotsirotsy azy ny fivezivezeko tamin'ny tohin'ny fanazana ny fampianarana ary naha-resitory azy izany! afaka nanohy ny fampianarako tsy nisy olana nandritra ny efa-polo minitra aho. Nilaza tamiko ilay mpianatro fa tena nanohina azy ilay fihetsika ary tena gaga izy, satria amin'ny ankapobeny misy ny elanelana eo amin'ny mpianatra sy ny mpampianatra.

Raha ny marina, gaga tamin'ny fientanentanana tamin'ilay fihetsika aho satria tonga ho azy ilay izy. Maro ireo mpianatra no naka sary satria nahafinaritra azy ireo nahita izany: natokana ho an'ny reny afrikana ny fitondrana zaza tahaka izany raha ny fahafantaran'ny besinimaro azy…  tsy fahita firy ny lehilahy manao tahaka izany indrindra moa ka hoe mpampianatra no resahana. Nahazo antso avy amin'ny olona avy any Frantsa, sy Côte d'Ivoire, ary Mali aho, izay nilaza fa nahafinaritra azy ireo ny nahita ny sary. Mino aho fa manan-danja ihany koa noho ny votoatin'ny fampianarana ny fihetsiky ny mpampianatra mba hahatonga fifandraisana ara-tsosialy teo aminy sy ny mpianatra  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.