Azon'ny Kamerà: Lahatsary momba ny Zon'olombelona ato amin'ny GV

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Herinandro vitsivitsy miavaka ho an'ny lahatsary GV momba ny zon'olombelona iny, koa ndeha isika hiditra avy hatrany amin'izany…

Bandh iarahan'ireo mpirahalahy [avy amin'i Neha]

Ity ampahany ity, nalain'i Dinesh Wagle, ao amin'ny United We Blog!, dia mampiseho an'ireo kodiarandroa tohanan'ireo mpikambana avy amin'ny Federasiona nasionalin'ireo mpandraharaha amin'ny fitaterana ao Népal tao Kathmandu. Niantso bandh iray (fitokonana) ny NFNTE handraràna an'ireo fitaovam-pifamoivoizana mivezivezy eny an-dalambe, taorian'ny nandorana ireo fiarabe fitateram-bahoaka vokatry ny fihetsiketsehana teo aloha kely teo nandritra ny korontana tao Terai.

Tiako ho fantatra mazava tsara ny mikasika izay tena voalaza marina tao anatin'ny fifanakalozana nisy teo amin'ny  andaniny sy ny ankilany – ireo tolotra ahafahana mandefa ireo fandikàna an-tsoratra na zana-dohateny mandalo amin'ny dotsub na avy any an-kafa?

Manolotra fijery iray mampiahiahy mikasika ilay tranga tsy nampoizina momba ny fiainana ao Népal amin'izao ora izao i Wagle

“[…] tokoa tokoa, sarotra ny hihevitra fivoaran-draharaha ara-politika na hafa ao Népal ankehitriny. Ny firehana amin'ny famoronana fanjakan'i Baroa sy fakana tombony amina karazana tranga tahaka izany dia niavosa be nandritra ireo volana marobe farany. Misy karazana fifaninanana voarindra mba hitrandrahana ny zava-misy. Tsy hainao mihitsy izay zavatra mety hitranga rahoviana. N'iza n'iza dia afaka hiantso bandh iray ao Népal foana amin'ny fotoana rehetra. Tsy maintsy atrehan'ny daholobe ireo fahasarotana vokatry ny fanapahankevitra somary haingana sy tsy ilaina tahaka izany. Ny daholobe foana no niharan'ny zavatra nataon'ireo karazana bandas ireo tamin'ny lasa. Inona no zavatra hafa azon'izy ireo atao ankoatra ny mijaly mangingina?

FarsiTube, Alexander Litvinenko, fitokonana ao Libanona, ireo mpanampy an-trano manao hetsika eny amoron-dranomasin'i Però, vlogging avy any Amirà Arabo Mitambatra, ary fifandonana ao Bolivia taorian'ny vikin-dava…

Mampiseho endrika iray hafa mikasika ny fiainana ao Iràna ny FarsiTube [avy amin'ny Hamid]

Ahitana sary manana hatsaràna azo heverina mikasika ny Diabe tamin'ny Andron'ny Vehivavy 2006 tao Téhéran izay noravan'ny polisy an-kerisetra ny YouTube Iraniàna fanomezam-boninahitra ny FarsiTube.

Ahitàna karazana tahirinkevitra isankarazany ilay tranonkala, anisan'izany ny tahirinkevitra iray mikasika ny famonoana tovovavy kely iray vao 16 taona monja, Attafeh Sahaaleh.

.Io no iray tamin'ireo tranonkala marobe toa ny DocuTube mampiasa ny endrika “+tube” – raha mahita iray hafa ianao dia zarao eto ambany na andefaso imailaka iray aho.

Ny antsasa-piainan'i Litvinenko [avy amin'i Veronica]

Raha marina ity tantara an-dahatsary an'ny gazety poloney Dziennik ity, dia somary mampisalasala ho an'ireo tomponandraikitra rosiana ny fahitàna ny endrik'i Alexander Litvinenko teo amin'ny saham-pitifiran'ireo hery manokana, na dia tamin'ny taona 2002 aza ny datin'ny lahatsary voalohany (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: tapaka tsy mandeha intsony ny rohin'ilay lahatsary):

https://www.youtube.com/watch?v=1J7WzJskNfM

[dika voalohany avy amin'i Dziennik]

Ilay bilaogy tsy tia Rosiàna Mamerina ny tantara ireo mpankahala Rosiàna ary manampy betsaka ny AP.

Mirehitra i Beiroty raha mitondra mankany amin'ny fifandonana kosa ireo fitokonana [avy amin'i Moussa]

Tamin'ny faran'ny volana Janoary, niantso fitokonana faobe ireo Libaney mpanohitra mba hanoherana ny governemanta ary namoaka lahatsary marobe i ‘finkployd’ ao amin'ny Blogging Beirut mikasika ireo fifandonana naterany teo amin'ireo “kristianina tao Hazmieh, Beiroty, Libanona sy ireo miozolomana nanao fihetsiketsehana (nitoraka vato sy nandoro kodiarana)”. tao Beiroty Andrefana, ny 23 janoary 2007 […]”

Lahatsary an'ny ‘finkployd’ ao amin'ny Blogging Beirut

Taorian'ny nakàna ireo sary ireo, nitranga ny fifandonana teo amin'ireo Sionita sy Shiita tao Beyruth ary nihitatra ho herisetra goavana ny fifanjevoana tao anaty trano fisotroana kafe natao ho an'ireo mpianatra. Napetraka ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina tao Beiroty manontolo mba hamerenana amin'ny laoniny ny filaminana. Araka ny voalazan'i Al-Ahram, mbola tavela avo be nandritra ny faran'ny herinandro ireo fihenjanana sady tsy nisy nihemotra na ny governemanta na ny mpanohitra. Ny Alarobia, nanodidina ny 300 000 ireo olom-pirenena nanao fihetsiketsehana mba hanohanana ny governemanta noho ny fankalazàna ny faharoa taona namonoana an'i Rafik Hariri

Manao fihetsiketsehana eny amorontsiraka ireo mpanadio [avy amin'i Juan sy David]

Olona anjatony no nanao diabe teny amin'ny torapasik”i Azia, toby filomanosana an-dranomasina Peroviàna iray miorina ao Atsimon'i Lima, fantatra amin'ny anarana hoe “Basta de Racismo” (Atsaharo ny Fanavakavahana), taorian'ny fandraràna an'ireo mpiasa an-trano tsy hilomano teny amoron-dranomasina mialohan'ny hilentehan'ny masoandro – noho ny lalàna mandràra ny fameperana ny fidirana any an-dranomasina.

Marobe ireo lahatsary mikasika ilay fihetsiketsehana – tranga fohy iray an'ny Operativo de la Empleada Audaz (mpiasan'ny Operation Bold), tahaka izay niantsoina ilay hetsika, eo ambany:

Eto misy ampahany lava kokoa.

Nandefa lahatsary tamiko ihany koa i David, miaraka amin'ny tanjona hampiseho tovolahy roa tao Lima mila vaniny sy manao fanararaotana an'ireo mpiasa an-tranon'ny fianakavian'izy ireo. Tao anaty lahatsoratra iray ao amin'i Peruanista, nandefa antso iray i Carlos A Quiroz mba hahazoana  vaovao mikasika ny maripamantarana ny mpiasa an-trano iray na ny fianakaviany, ary nangataka an'ireo mpamaky mba hitsidika ny YouTube sy hanao fanamarihana ny votoatin'ilay lahatsary “votoatiny mahery setra sy mivantambantana”. Nesorina ny lahatsary amin'izao fotoana izao (“noho ny fanitsakitsahana an'ireo fepetra fampiasana”), ary namoaka fanavaozam-baovao iray sy lahatsary betsaka mikasika ny olana amin'ny ankapobeny amin'ny resaka herisetra atao amin'ireo vehivavy ao Però i Peruanista, ao amin'ny adiresy “Raha mpidaroka vady ianao, jereo ireto“…

Ity no ohatra mivaingana voalohany hitako momba ireo mpampiasa nahetsika mba hitoroka io karazana votoatiny io, saingy mino aho fa misy hafa – ampahalalao ahy eo ambany izany na amin'ny alalan'ny imailaka.

Ireo mpianatra ao Emirà Arabo Mitambatra manao vlog mikasika an'ireo blaogera [avy amin'i Amira]

Heveriko fa avy amin'ny fandaharanasa fanaovana gazety ao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra io, satria ny tranonkala dia mitondra ny lohateny hoe “Broadcasters of Tomorrow“. Azafady alefaso amiko ireo rohy tahàka io, satria tiako hahita ohatra misimisy kokoa amin'ireo fomba fijery ao an-toerana mikasika ny tantaran'ny zon'olombelona erantany.

Miady amin'ny coca i Cochabamba [avy amin'i Eduardo]

Farany, ny topimaso lafatra nataon'i Eduardo Avila mikasika an'ireo fifandonana tamin'ny Janoary mainty tao Bolivia tao Cochabamba, izay tokony ho vakiana sy jerena (jereo ireo lahatsary an'ireo YouTubers nenamade sy estotaweno), no mamarana amin'ireto teny ireto:

“Nanambara ny vavolombelona iray tao anatin'ny tantara fa azon'ireo cocaleros (mpamokatra coca) sary teo amin'ny fakantsary ny tranga manontolo niseho [ny fahafatesan'i Cristian Urresti, 17 taona]. Afaka omen’ io lahatsary io ireo mari-pamantarana mikasika ny tomponandraikitra faratampony tamin'ilay fahafatesana feno herisetra, saingy kely dia kely ny tombana fa ho tonga eny amin'ireo tranonkala toy ny YouTube ilay lahatsary indray andro any.”

Toy izay nasehon'ity fitetezana lahatsary vao haingana teto amin'ny GV ity, misy zavatra kely  tsy ho hita eo amin'ny YouTube, Ikbis, DailyMotion ary ny MetaCafeao anatin'ny fotoana lavalava …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.