Sambany teo amin’ny tantaran’i Brezila no nisy vehivavy indizeny tafiditra tao amin’ny Kongresy nasionaly

UN/Screenshot

Joênia, ilay vehivavy indizeny voalohany manampahaizana amin’ny lalàna ao Brezila. Ampahan’ny sary tao amin’ny lahatsarin’ny United Nations Web TV

 

Tamin’ny taona 1997, i Joênia Wapichana no lasa vehivavy indizeny voalohany Breziliana nahazo mari-pahaizana lisansa amin’ny taranja lalàna. Iraika ambin’ny folo taona taty aoriana, izy no vehivavy indizeny voalohany nitondra ny raharaha iray teo anoloan’ny Fitsarana Tampony. Ary tamin’ny volana Oktobra 2018, dia nisongadina indray izy tamin’ny maha-vehivavy indizeny voalohany azy voafidy tao amin’ny Kongresy nasionaly.

Niaraka tamin’ny isam-bato mitotaly 8.491 no nahazoany ny iray tamin’ireo seza valo natokana ho an’ny fanjakany ao Roraima. Mario Juruna [fr] no hany solombavambahoaka indizeny nahazo toerana talohany tao amin’ny Kongresy Breziliana, vazimba Xavante, voafidy tamin’ny taona 1983 izany.

Teraka tao amin’ny vondrom-poko Wapichana, nifindra tany Boa Vista, renivohitry ny fanjakana Roraima i Joênia tamin’ny faha valo taonany. Izy no nandoa ny vola nianarany taranja lalàna raha sady niasa tao amin’ny birao momba ny fitantanana iray, ary nambarany tao amin’ny antsafa iray natao vao haingana fa nahazo ny mari-pahaizany herintaona mialoha ny fotoana tokony ahazoana izany izy, ary fahadimy tamin’ireo mpiray taranja taminy izay ankizy avy amin’ny antokon’olom-bitsy mpanankarena tao Roraima :

Tamin’ny volana Desambra 2018, amin’ny maha-solombavambahoaka voafidy azy, dia nahazo loka momba ny zon’olombelona avy amin’ny ONU i Joênia noho ny asany niavaka ho fanandratana ny zon’ireo vahoaka tompotany. Io fankasitrahana io ihany koa no natolotra an’i Nelson Mandela sy Malala tamin’ny fotoan’androny.

Joênia Wapichana miaro ny olan’ny indizeny tao amin’ny Fitsarana Tampony. Pikantsary avy amin’ny lahatsary tao amin’ny YouTube/Fitsarana Tampony ao Brezila.

Eo amin'ny fihaonan-dalana

Niditra tao amin’ny tantara i Joênia tamin’ny taona 2008 rehefa niaro ny olan’ireo indizeny miisa dimy izy momba ny fanambarana ofisialy mikasika ny tanin’izy ireo ho Tanin’ny Indizeny, fananana izay manome ireo vahoaka indizeny ny zo tsy azo esorina amin’izy ireo momba ireo tanin’ny razambeny.

Nanome rariny ny vahoaka indizeny ny fitsarana, izay nanjary tompon’ny tanin’ny indizeny mivelatra indrindra any Brezila, dia ny tanin’ny Raposa Serra do Sol, any amin’ny fanjakan’i Roraima.

Nanivaiva mpikatroka indizeny iray nanatrika ny fitsarana azon'ny rehetra atrehina tao amin’ny Efitry ny solombavambahoaka  i Jair Bolsonaro izay mpikambana tao amin’ny Kongresy  tamin’izany fotoana izany, momba ny faritra mampisaraka ny tany Raposa Serra do Sol. Tokony hivoaka izy ireo handeha hiraoka ahitra hiarovana ny fiaviany; hoy izy tamin’io fotoana io.

Fotoana fohy taorian’ny nandreseny tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2018, noresahan’i Bolsonaro indray ny momba an’i Raposa Serra do Sol ho ohatra amin’ny tanin’ny indizeny izay tokony hotrandrahana ara-toekarena. Hoy izy tamin’ireo mpanao gazety :

É a área mais rica do mundo [em minerais]. Você tem como explorar de forma racional. E no lado do índio, dando royalty e integrando o índio à sociedade.

Io no faritra manankarena indrindra [ankibon'ny tany] manerana izao tontolo izao. Tokony ho trandrahintsika amin’ny fomba ara-dalàna izany. Ary omentsika fanonerana ireo Indiana ary ampiatiantsika ho ao amin’ny fiarahamonina izy ireo

Folo taona lasa izay, niaraka tamin’ny endrika nolokoina tsipika mena nentim-paharazana avy amin’ny foko misy azy, nampifangaro ny teny Portiogey sy ny fitenindrazany i Joênia ho fampatsiahivana ireo mpitsara fa telo tapitrisa dolara Amerikana eo ho eo no nivezivezy tany amin’ireo tany ireo fa saingy tsy nisy fiantraikany tamin’ny toekarena Breziliana akory.

Sary: The Institute for Inclusive Security, CC 2.0

Ilay mpanohitra manana ny heriny

Nilaza tamin’ireo mpanao gazety marobe avy amin’ny gazety nasionaly mivoaka isan’andro Folha de São Paulo i Joênia, raha izy niomana handray ny toerana amin’ny maha solombavambahoaka mpanohitra ny governemantan’i Bolsonaro azy hoe :

Por que ele persegue tanto os povos indígenas? Qual é a razão de todo esse ódio e de querer retroceder tanto?

Temos turismo, medicinas tradicionais, uma vasta biodiversidade na Amazônia. A gente tem de mudar esse discurso de que somos empecilho ao desenvolvimento, que estamos prejudicando A ou B. Temos de fazer com que sejamos nós os protagonistas também.

Nahoana izy [Bolsonaro] no manenjika mafy ny vahoaka tompotany? Nahoana no be fankahalana ary nahoana no mila mitodika any aoriana ?

Manana ny fizahan-tany, ny fitsaboana nentim-paharazana, ny rindravoary goavana any Amazonia isika. Tokony atsahatra ny filazana fa sakana amin’ny fampandrosoana izahay, ka manimba ny A

Mila hetsika haingana

Nanomboka ny asany tamin’ny volana Febroary 2019 ny Kongresy ao Brezila, ary nanomboka ny fe-potoana hiasany amin’ny maha-mpitarika ny antoko azy Rede Sustentabilidade ( Tambajotra maharitra) i Joênia tao amin’ny Efitry ny solombavambahoaka, ao amin’ny antenimieram-pirenena federaly. Natsangan’ny Minisitry ny Tontolo iainana teo aloha Marina Silva ny antoko Rede izay na dia tsy nandresy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena in-telo nifanesy aza izy, dia fanta-daza teo anivon‘ny fikatrohana ara-tontolo iainana tany Brezila.

Taorian’ny voinan’ny tohodrano tao Brumadinho, izay nahafatesana olona miisa 160 ary namotika ny zava-boary rehetra tao amin’ny reniranon’i Paraopeba dia nanolotra ny volavolan-dalànany voalohany i Joênia, izay manasazy mafy kokoa ireo heloka bevava atao amin’ny tontolo iainana izay miantraika mafy eo amin’ny zavaboary, ny aina sy ny fahasalaman’ny olombelona, ary niantso izany ho ‘’heloka feno fankahalana, sy karazana fandikan-dalàna izay miteraka sazy faran’izay henjana indrindra.

Mialoha ny andro handraisany ny asany, nilaza tamin’ny gazety tao an-toerana avy ao Roraima Folha de Boa Vista ilay solombavambahoaka fa miompana amin’ny tsy fahampian’ny fanajan’ny orinasa tsy miankina ny tontolo iainana ny volavolandalànany :

Nos preocupa a política governamental de enfraquecer ainda mais os mecanismos criados para defender o meio ambiente saudável, previsto em nossa Constituição, e os impactos sociais, como, por exemplo, o licenciamento ambiental, diante da falta de responsabilidade das empresas e do baixo poder de fiscalização do Estado.

Mampanahy anay ny politikan’ity governemanta ity: manozongozona ny rafitra izay natsangana mba hiarovana ny tontolo iainana salama araka ny voalazan’ny Lalam-panorenana izy ireo, ary ny fiantraikan’izany ara-tsosialy. Ohatra ireo lisansa ara-tontolo iainana izay mampihena ny andraikitry ny orinasa sy ny fampihenana ny fahefan'ny Fanjakana eo amin'ny fanaraha-maso.

Nandritra ny antsafa nifanaovana tamin’ny BBC, nilaza i Joênia fa ny famaritana ny tanin’ireo indizeny no laharam-pahamehany ao amin’ny Kongresy :

Se por um lado há meia dúzia de ruralistas, por outro há uma população de minorias que se sente representada por mim ali. É uma população que precisa de representação. A política velha é formada por pessoas que só pensam em benefícios individuais. Eu vou levar valores coletivos.

Raha misy olona antsasaky ny folo manan-tany be velarana etsy andaniny, ary izahay kosa fokonolona vitsy an’isa iray manontolo etsy izay mahatsapa ho isoloako tena. Ireo no vahoaka mila fisoloantena. Nataon’ny olona izay tsy nihevitra afatsy ny tombontsoany manokana ny politika taloha. Hitondra soatoavina iombonana aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.