Lasa resaka mpiray asa koa ny fanavakavahana lahy sy vavy

(Fanamarihana. lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2006)

Heveriko fa misy ny rindrina tsy hita maso ‘tsy ofisialy’ apetraka ho an'ireo vehivavy manamboninahitra. Ry zareo lehilahy no  mibahana ny ankamaroan'ireo toerana ambony ao anivon'ny fiarahamonina ao Brunei. Mety ho anton'ny fisian'ny tsy fifandanjàna ve ny hoe satria ireny olona ireny ihany no mamaritra izay hahazo ireo asa tsara indrindra?

MedLeo

Lasa resaka mpiray asa koa ao amin'ny firenena ve ny fanavakavahana lahy sy vavy? Lasa toa mahaliana mihoatra noho ilay lahatsoratra ireo fanehoankevitra tahaka izany misongadina avy amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny  The Daily Brunei Resources. Tena misy tokoa ve ny ‘rindrina tsy hita maso’ mamefy reo vehivavy ao Brunei amin'ny resaka hery mpamokatra na eo aza ny zavamisy hoe mahavita tsara lavitra noho ny lehilahy ny vehivavy? Henoy ny fitantaran'ireo olontsotra azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.