Inona No Anton'ny Adihevitra Mafàna Amin'ny Fampisehoana Nono Eny Amoron-dranomasina Ao Arzantina?

Zoom amin'ny sary nataon'i Pictonline. Nahazoana alalana sy nozaraina tao amin'ny media sosialy.

Tamin'ny Asabotsy 28 Janoary, vehivavy telo no nanao izay nanafintohina nanapa-kevitra hanamainty vatana “tsy misy tati-nono” teo amoron-dranomasin'i Necochea, tanàna filomanosana amoron-dranomasina ao Arzantina ao amin'ny faritanin'i Buenos Aires.

Araka ny filazan'ireo nanatri-maso, nitaraina momba izany ireo mpizaha tany sasany nipetraka teo akaiky, mahatsiaro voatohintohina. Nisy polisy telo tonga nanatona ireto vehivavy mba hanarona ny nonon'izy ireo. Noho ny fandavan'izy ireo anefa, nandraisana fepetra fiarovana tamin'ny fandefasana polisy valo izy ireo mba handroaka azy ireo ao amin'ny toeram-pitsangatsanganana.

Niha-nihitatra ny raharaha noho ny lahatsary nalain'ny mpandalo iray ary niparitaka be tao amin'ny tambajotra sosialy:

Maro ny fanehoan-kevitra, fihetsika fanoherana sy adihevitra nifampitohy mampiseho ny tsy fahazakana asehon'ity fanaovana ho henatra ny nonom-behivavy ity sy ny fitsarana an-tendrony mahazo ny hetsiky ny feminisita ao amin'ny firenena.

Nahatonga ny antso ho amin'ny “tetazo” (fampisehoana nono) goavana tao amin'ny Obeslik ao Buenos Aires izany fanilikilihana, izay tafahoatra araka ny fijerin'ireo mpiserasera Facebook marobe, izany. Nalaina tahaka tamin'ireo tanàna hafa ity hetsika ity mba hanoherana ny polisy sy ny fanalam-baraka nihatra tamin'ireo vehivavy mpilomano ireo.

Taorian'izay, notsipahan'ny mpitsara tao akaiky tao Necochea ny fitoriana ka nilaza fa “tsy heloka ny vehivavy tsy manao akanjo ambony.” Nanararaotra ny zava-misy kosa ny mpitsara tao amin'ny fitsarana ady madio, Mario Juliano mba hangataka fanitsiana ny Fehezan-dalàna Famaizana – izay heverina fa lany andro hatramin'ny taona 1970. Taorian'io vaovao io, naneho ny hatezerany ireo mpiserasera marobe.

Tsy nitsahatra ny adihevitra mafana sy ny fifandiran-kevitra. Tamin'ny sioka sy fandefasana votoaty tao amin'ny Facebook-n'i Pictoline izay manasa handray anjara amin'ny adihevitra, mampiseho ny fisarahan-kevitra sy ny herisetra ateraky ny hetsiky ny feminisita ireo fanehoan-kevitra:

Vehivavy telo voaraoka teny amoron-dranomasin'i Arzantina noho izy ireo tsy nanao tati-nono, ary miverina ity fanontaniana ity: nahoana izany no eny (ekena) ho an'ny lehilahy ary tsia (lavina) ho an'ny vehivavy

Avy eo, nivoaka ny sioka hafa sy ny vazivazy momba ny zava-nitranga, sy ny fifandraisany amin'ny fitovian-jon'ny lahy sy vavy sy ny herisetra manabanty vehivavy.

Rehefa azo gadraina noho ny fanaovanao zavatra toy ny ataon'ny lehilahy ianao, dia tsy misy ny fitoviana.

Aza adinoina fa manohitra ny fifaninanana hatsaran-tarehy ny feminista saingy mandrisika ny #tetazo [hetsika mampiseho nono tsy misy taty]. Angamba ny tena manelingelina azy ireo dia ireo vehivavy tsara tarehy.

Ry namako, tsara kokoa ny ho feminisita noho ny mampiseho nono. Tsy mahita tory ao am-pasany izay i Simone de Beauvoir.

Tsy miboridana ireo olona roa ireo. Miboridana ambony izy roa ireo. Tsy misy mandika lalàna.

Miezaka mampiseho fomba fijery tony sy mampihavana kokoa ilay mpanentana ao amin'ny radio Rivadavia AM690, Oscar Choy

[Dikan-teny] Azo atao ve ny mandinika AO ANATIN'NY FIFANAJANA ?

Tsy resaka nono… na fitanjahana ambony… fa toe-tsaina izany!

Eny amin'ny toeram-bahoaka… hajaina ny fenitry ny fiarahamonina. Aza mitondra tena tahaka ny hoe any an-trano ianao… na ao amin'ny dobo filomanosanao. Hatry ny ela no natosika am-pihantsiana ny fetra sy ny fenitra… miovaova… ary mandeha lavidavitra kokoa hatrany.

Raha raisina lavitra kokoa… nohadinoina ny Hafa. Manana ny toerany… ny fomba fiainany… ny kolontsainy… ny finoany ny HAFA.

Matetika isika mihantsy… ao anatin'ny fitsiriritantsika rehetra. 

Ho hita eo ny valin'ny fampiakarana fitsarana ambony napetraky ny “tetazo” tamin'ny Talata, 7 Febroary 2017. Mandritra izany fotoana izany, tsy mitsahatra manafana ny tambajotra sosialy sy ny lalana nanomboka herinandro mahery izay ny adihevitra sy ny fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto momba ny zon'ny vehivavy sy ny miralenta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.