Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nahatonga Resabe Ny Filazan'ilay Mpitsara Syriana Fa Ny Fakana Vady Faharoa No Vaha-olana Ho An'ny ‘Vehivavy Tsy Manambady’  

Ny fampakaram-bady faobe nokarakaraina ho an'ny mpikambana ao amin'ny tafik'i Assad , ny ‘Tafika Arabo Syriana’ na (SAA). Loharanon-tsary: Al Baath Media.

Naneho ny hatezerany tao amin'ny media sosialy ireo Syriana taorian'ny sosokevitr'ilay mpitsara Sharia voalohany ao Damaskosy antsoina hoe Mahmoud Maarawi, izay mitarika ny fitsarana ara-pivavahana miandraikitra ny olan'ny sata manokana ho an'ny Miozolomana Sonita ao Syria, maro an'isa ao amin'ny firenena, fa afaka manambady vehivavy faharoa mba hamahana ny ‘olan'ny’  ‘vehivavy tsy manambady ‘ (عنوسة),  ny lehilahy Syriana .

Nilaza i Maarawi raha niresaka tamin'ny gazetim-panjakana Tishreen tamin'ny 5 Febroary 2017 fa izany no ‘vahaolana’ satria be loatra ny isan'ireo vehivavy mponina Syriana noho ireo lehilahy ao amin'ny faritra tantanin'ny fitondrana; mety mahatratra 65%-n'ny mponina eo ho eo no vehivavy  (na dia mbola tsy voamarina aza izany ) araka ny vinavina sasany .

Fa ao Damaskosy, ohatra, voamarik'ireo mpitsidika maro ny tsy fisian'ny lehilahy ary nisy ny fitotonganan'ny tahan'ny fampakarambady tamin'ny ankapobeny. Nilaza tamin'ny Syriana Observer ny mpikatroka iray avy any Homs  tamin'ny volana May 2016 fa:

People believe the rise in spinsterhood is related to the decreasing number of young men, including those who flee abroad or who join the military forces fighting in the country, in addition to the large number who have been killed. This exacerbates the problem and negatively affects young women and families, given the social norms that stigmatize unmarried women, divorcees, or even widows.

Mihevitra ny olona fa mifandraika amin'ny isan'ny tovolahy mihena ny mahatonga ireo vehivavy tsy manambady maro, anisan'izany ireo mandositra any ivelany, na nanatevin-daharana ny tafika mba hiady ao amin'ny firenena, ankoatra ireo maro be izay efa maty. Izany no manasarotra ny olana ary mampisy fiantraikany ratsy eo amin'ireo zatovovavy sy ny fianakaviana, araka ny fenitra ara-tsosialy izay mahavoailikilika ireo vehivavy tsy manambady, misara-panambadiana, na maty vady.

Nampiasain'ny tranonkala mpomba ny mpanohitra toy ny Enab Baladi avy hatrany ilay tantara :

Nanome soso-kevitra fakana vady faharoa ny mpitsara Sharia voalohany ao Damaskosy mba hiatrehana ny olan'ny vehivavy tsy manambady

Nihomehezan'ny mpanohana ny fitondran'i Assad ihany koa ny fanambarany :

Miombon-kevitra amin'ny mpitsara Sharia voalohany ao Damaskosy aho, kanefa mangataka trano ao Mazzah aho [faritra ho an'ny manankarena ] sy tsena ao amin'ny Foibe Fivarotan-dehibe Sham ary Tank T-90.

Raha  tsy namono lehilahy ny ady, dia​​ azo antoka fa hanao izany ny vadiny faharoa, noho ny fatwa-n'ny mpitsara .

Nilaza ny mpisera Facebook iray, Ghassan Makdsi fa miditra amin'ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena amin'ny ankapobeny ny mpitondra fivavahana any amin'ny ankamaroan'ny faritra any Afovoany Antsinanana  :

مشكلة الوطن العنوسة والحلّ هو النكاح !!؟؟
المشكلة أنه مازل هناك رجال دين تتدخل في الحياة العامة للمواطن بل بالحياة المنزلية لابل بالحياة الشخصية ..
المشكلة أنه لا يزال هناك رجال دين في السلطة تفكر كما يفكر رجال الدين لدى داعش ..
المشكلة أننا نعتبر من يتولى إدارة زمام الدولة هم من الطبقة المثقفة العلمانية المدنية ..
المشكلة الأكبر للأن لم يخرج أحد للإعلام السوري ويقول له ,,سكر تمك,, فأشكالك هم من دمروا الوطن ..
المشكلة إن فتواه ليست لسد رمق المواطن السوري ولا لسد جشع التجار ولا لكبح جماح العفيشة والسارقيين ولا لمن يخطف لقاء مال .. ولا للأولاد التي تنام في شوارع البرد والموت ولا للمهجريين الذين يموتون في العراء
فتواه فقط لأجل النكاح .. القاضي لا يشغل باله إلا بالنكاح ..

Ny vehivavy tsy manambady no olan'ny firenena ary ny fananahana ve no vahaolana ?

Ny olana dia mbola misy ny mpitondra fivavahana no mitsabaka amin'ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena, any an-tranony eny fa na amin'ny fiainany manokana mihitsy aza.
Ny olana dia mbola misy eo amin'ny fitondrana ny mpitondra fivavahana izay miheviena ho mpitondra fivavahan'ny Daesh (ISIS).
Ny olana dia ny fiheverana fa mbola ao anatin'ny kilasy laika avara-pianarana ireo izay eo amin'ny fanaraha-mason'ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Ny olana lehibe indrindra dia tsy misy olona mihitsy avy amin'ny fampitam-baovao ao Syria mba hivoaka hilaza hoe ‘mangina ianao’ amin'ireo izay nanimba ny toe-tsain'ny firenentsika.
Ny olana dia tsy manome sakafo ny olom-pirenena Syriana ny fatwa-ny, na mampiato ireo mpivarotra tia vola be, na mampihena ny isan'ny mpangalatra. Tsy ho an'ireo ankizy matory eny an-dalambe amin'ny hatsiaka mahafaty, tsy ho an'ireo mpitsoa-ponenana izay maty any ivelany any.
Momba ny fananahana ihany ny fatwa-ny .. izany no zavatra ahian'ity mpitsara ity.

Lavitry ny ‘vahaolana’ ara-pivavahana ho an'ireo vehivavy Syriana, nanao ny fampakaram-bady faoben'ny mpivady miisa 30 fahefatra  tao Damaskosy tamin'ny 30 Janoary 2017 ny Syriatel , mpanome tolotra finday voalohany ao Syria an'i Rami Makhlouf, ilay zanaky ny mpiray tam-po amin'ny ray aman-drenin'i Bashar Al Assad sady lehilahy manankarena indrindra ao Syria

Ny Fampakaram-bady faobe fahaefatra tao Damaskosy, nokarakarain'ny Syriatel ho an'ny mpikambana ao amin'ny Tafika Arabo Syriana . Loharanon-tsary: Pejy Facebook

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.