Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2014
Fanandramana Itsapana Ny Olan'ny Fanolanana Ao India. Vokatra Mahasanganehana
Olana lehibe ao India ny fanolanana, saingy manampy hamaha ny olana ve ny fanaovana lahatsary tahaka izao? Ahoana ny hevitrao?
Fanazavana Sasantsasany Mikasika Ny Fitsipika Vaovao Mifehy Ny Bilaogera Rosiana
Namoaka tahirin-kevitra milaza antsipirihany mikasika ny fomba fampiharana ny lalàna mifehy ny bilaogy izay hanan-kery amin'ity fahavaratra ity farafahatarany ny sampan-draharaha Rosiana misahana ny fandaminana ny aterineto, Roskomnadzor.
Asehoy Ahy Ny Vola : Tsy Mbola Voaloa Ny Onitra Noho Ny Trangam-panavakavahana Karaibiana
Valo volana aty aorian'ny namoahan'ny Fitsaràna Karaibiana didy tamin'ny fandreseny, mbola tsy naharay ny onitra tokony homena azy ihany i Shanique Myrie, izay nampiboridanina nozahàna ary tsy navela niditra tao Barbade.
Pakistan: Mpianatra Baloch Mitokona Tsy Mihinan-kanina Nandritra Ny 45 Andro
Nanomboka tamin'ny taona 2006, nisy ny adim-pahaleovantena vaovao teo amin'ireo separatista Baloch sy ny governemantan'i Pakistan.
Chungui: Famongarana Ny Zava-dozan'ny Fampihorohoroana Tany Però
30 taona lasa, olona an-jatony no niharan'ny fampihorohoroana tany amin'ny ireo vondrom-piarahamonina lavitra tany Chungui sy Oreja de Perro.
Fomba 3 Kasain'ny Governemanta Rosiana Handaminana Ny Web
Maro ireo sampan-draharaham-panjakana ao Rosia amin'izao fotoana izao no eo am-pandrafetana ny naotim-panjakana hamaritana ny fomba hampiharan'ny manampahefana tokoa ity lalàna vaovao mampiady hevitra momba ny aterineto ity.
Mariazy Anelakelatrano, “Fandresena Kely” Hoan'ny Pelaka Ao Tajikistan
Vao voalohany angamba i Tajikistan no nahitana mariazy tsy ara-dalàna eo amin'ny samy pelaka. Maro ireo Tajikistana no tsy faly tamin'izany ary niampanga ny tandrefana ho nampiroborobo izany.
Manandratra ny Fampianarana Ara-pananahana Sy Ny Miralenta Ny Alimanaka Miboridan'ny Twitter Ao Makedonia
Ahitana ny hafatra "Tsy rahona ho an'ny fianakaviana ny miralenta" sy ny hoe "Rehefa tsia dia tsia! Tsy fanoloana toerana ny fanekena akory ny fitanjahana", ireo hafatra ao anatin'ny alimanaka.
Ambaran'ny Indoneziana Fa Tsy Ampy Ny 15 Taona An-tranomaizina Ho An'ny Mpametaveta Ankizy
Nanosika sy nanetsika ireo ray aman-dreny marobe mba hitaky amin'ny governemanta handinika ny lalàna momba ny pedofilia sy hametraka sazy farany izay henjana indrindra ny fihanaky ny tranga fametavetana ankizy ao Indonezia.
Eny An-Dranomasina ho Fanohanana Ilay Gadra Politika Oscar López Rivera
33 taona izao no nitazonana am-ponja ao Etazonia ilay gadra politika portorikana. Nisy fihetsiketsehana notontosaina tao Porto Rico hanoherana io fitazonana am-ponja io.