Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2017

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2017

30 Marsa 2017

Mpanao Didy Jadona ve ny Filohampirenena ao Kazakhstan? Ianao no Mandidy.

Ny Tetezana - The Bridge

Tao anatina tafatafa vao haingana niarahany tamina mpanao gazety voafantina, nisahirana nanazava ny antony tsy mbola mampifanaraka foana ny fiarahamonina Aziatika amin'ny demokrasia i Nazarbayev.

Ho Fitadiavan-dRariny, Mandrakitra Ny Famonoana Noho Ny Zava-mahadomelina ao Filipina Ity Mpiasam-Piangonana Katolika Ity

"Amin'ny maha mpanao gazety mpaka sary, miaraka hatrany amin'ny mahantra, mahafantatra ny zava-misy ara-tsosialy iainan'izy ireo."

Hong Kong : Ny Worker News Izay Namaky Bantsilana Ireo Anganongano Momba Ireo Mpitsoa-Ponenana No Nahazo Ny Loka

"Tao anatin'ny taona vitsy, dia niroborobo ny fitsaratsaràm-poana ataon'ny fiarahamonina any Hong Kong ireo olona avy any amin'ny firenena hafa."

29 Marsa 2017

Naaton'ny Fitondrana Miramila Thailandey  noho ny ‘ Fitsikerana Tsy Am-piheverana’ sy ny ‘Votoaty Mitongilana’ ny Voice TV

"Manamafy izahay fa tsy mandrahona ny filaminam-pirenena ny votoaty na dia mety hanome fomba fijery hafa aza ny Voice TV. "

28 Marsa 2017

Tanora Iraniana Miatrika Fanamelohana Ho Faty Noho Ny Lahatsoratra Manohitra Ny Islamo Tao Amin'ny Media Sosialy

GV Mpisolovava

"Maritiora tamin'ny ady nandritra ny valo taona ny raiben'i Sina. Nanompo ny tafika nandritra ny roa taona i Sina . Manan-jo bebe kokoa noho ny ankamaroan'ireo manampahefana eto amin'ity firenena ity i Sina ."

27 Marsa 2017

Nosamborin'ny Manampahefana Emira Arabo Mitambatra Ny Mpikatroka Mpiaro Ny Zon'Olombelona Iray Ary Nohalavaina Ny Fihazonana Ny Hafa

GV Mpisolovava

Tamin'ny 20 Martsa, nisambotra ilay mpiaro ny zon'olombelona Ahmed Mansoor tao an-tranony ny polisy.Nandà ny hamoaka an'i Osama al-Najjar ny manampahefana Emirà Arabo Mitambatra mandritra izany , na dia efa nahavita ny saziny tany am-ponja aza izy.

Tsy Tian'ny Afrikana Tatsimo ny Hikitihan'ny Fanjakana ny Media Sosialy

Nilaza ny Minisi-panjakana misahana ny Fiarovana ao Afrika Atsimo, David Mahlobo, fa mihevitra ny handrindra ny media sosialy ny fanjakàna mba hanoherana ireo fitantaràna diso sy fiparitahan'ny faikam-baovao ny governemantany.

Ny Tranainy no Vaovao, Mihaino Ve Ianareo? Raki-Peo

Ho entinay any Jamaika, Indonezia,Syria,Makedonia ary Ethiopia amin'ny fampahatsiahivana, famelomana indray sy ny fipoiran' ireo tantara ianao ato amin'ity podcast ity.

26 Marsa 2017

Andro Erantany Ho An'ny Vehivavy, Nidina an'Arabe i Amerika Latina

Hetsika an'arabe sy fandraisana andraikitra avy amin'ireo mpikatroka maro no nandrandrain'i Amerika Latina tamin'ny Alarobia, taorian'ireo fanomezana toky avy amin'ireo vondrona sivily hoe hanatevina laharana ny fitokonana tsy hiasa amin'ny Andro Erantany natao ho an'ny Vehivavy.

25 Marsa 2017

Rafi-pamonjàna Mahafaty Ao Brezila Sy Ny Mpamazivazy Ao Amin'ny Aterineto Mankasitraka Izany

Miaina krizy mbola tsy nisy toy izany amin'ny rafi-pamonjàny i Brezila ankehitriny. Tao anatin'ny tapa-bolana monja tamin'ity taona ity, niteraka fahafatesana maherin'ny 130 ny fitroarana tao amin'ireo fonja manerana ny fanjakana valo.