Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2011

30 Oktobra 2011

Ejipta: Raharaha Fampijaliana Iray Hafa Indray Taorian'ny Revolisiona

Mitombo ny hatezerana ay Ejipta rehefa maty (voalaza fa teo am-pelatanan'ireo polisy nisambotra azy) i Essam Atta, lehilahy 23 taona nogadraina nandritra ny roa taona taorian'ny fitsarana miaramila. Lilian Wagdy dia mamintina ireo fanehoan-kevitra tamin'ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra momba izany vaovao izany.

29 Oktobra 2011

Global Voices Podcast : Fivoriana Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Andiany faha2

Ho fanampin'ny "podcast" isam-bolana fanaonay, dia manana raki-peo manokana ho anao koa izahay avy amin'ilay vaovao vao nivoaka farany tamin'ilay Fivoriana fahatelon'ireo Bilaogera Arabo tao Tonizia. Ao amin'ity lahatsoratra ity, fanadihadihana miaraka amin'i : Zeynep Tufekci, Alexandra Sandels, Hayder Hamzoz, ary Roger Dingeldine.

27 Oktobra 2011

Ejipta: Fiantsoana Revolisiona Indray Taorian'ny Didim-Pitsarana Momba ny Raharaha Namonoana An'i Khaled Said

Voaheloka higadra fito taona any am-ponja ny polisy roa noho ny daroka niteraka ny fahafatesan'i Khaled Said, zatovolahy novonoina tany Alexandria nampirehitra ny revolisiona Ejipsiana. Tezitra ny mpisera amin'izay lazain-dry zareo fa didim-pitsarana mohaka sy tehamaina amin'ny revolisiona sy ny antsony isian'ny rariny. Niteraka antso ho amina revolisiona vaovao teo...

Yemen: Vehivavy Yemenita Mandoro Ny Voaliny

Nandoro ny voaliny sy ny folarany androany ny vehivavy Yemenita ho marika fanamelohana ny herisetra sy ny sotasotan'ny fitondrana, izay namono olona 25 nandritra ny alina tany Sanaa sy Taiz ary nikendry vehivavy tamin'ny farany teo. Hetsi-panoherana tsy misy ifandraisany amina zon'ny vehivavy na fanoherana ny voaly islamika io satria...

26 Oktobra 2011

Kolombia: Nidina an-Dalambe Ny Mpiasa Sy Ny Mpianatra

Volana Nisiana fifanenjanana tao Kolombia ny oktobra 2011. Nampisy fihetsiketsehana an-dalambe avokoa ny fifidianam-paritra ho avy amin'ny Alahady 30 Oktobra, ny Fifanekena Ara-barotra Malalaka miaraka amin'i Etazonia, ary ny fanavaozana ny rafi-pampianarana ambony. Tamin'ny 7 Oktobra, niantso fitokonana nanerana ny firenena ny sendikà noho ny mety ho fisiana hitsivolana maromaro tapaka izay mety...

Etazonia: Fanambin'ny Fahasamihafan'ny Hetsika “Fibodoana”

Iray volana taorian'ny fibodoana ny faritra ara-bolan'ny tanànan'i New York, Wall Street, mihamivelatra ny hetsika ary maka toerana malalaka [an'ny fanjakana na kaominina] vaovao ny olona. Mpikatroka sy fikambanana izay niaritra - nandritra ny fotoana maharitra - ny elanelana mampisaraka ara-politika, toekarena ary sosialy no milaza ny fahatafintohinany

25 Oktobra 2011

Ejipta: Ny Valinteny Nomen'i Torkia Tamin'ny Fanontanian'Ireo Kiorda, Raha i Erdogan Miteny ao Kairo

Ny lahatenin'ny Praiminisitra Tiorka Tayyip Erdogan momba ny firotsahan'ny fanjakana Palestiniana ao amin'ny Ligy Arabo dia nadika mivantana tamin'ny alalan'ireo mpikambana aminà tranonkalan-tambajotra sôsialy, dia ny Twitter izany, ho an'ireo izay miteny Arabo na Tiorka. Tatitr'i Ruwayda Mustafah.

Etiopia:Nanao Fitakiana Tao Anaty Aterineto Ny Mponina Ho An'i Shweyga Mullah

Fanaovana fitakiana tao aminà filazam-baovao ara-tsosialy iray no namoahan'ireo mponina fahatezerana be tanaty aterineto tao Etiopia taorian'ny fanambaran'ilay mpanao gazetin'ny CNN, Dan Rivers, ilay fanararaotana nahatsiravina nihatra tamin'i Shweye Mullah izay tena naratra tokoa noho ny fitorahan'ilay vadin'ny zanak'i Gaddafi, Hannibal, rano mangotraka ny vatany iray manontolo tamin'ny tsy nahavitàny...

21 Oktobra 2011

Kiobà: Fahatsiarovana an'i Laura Pollan

Efatra andro taorian'ny nahafatesany, dia nisy hatrany ny fahatsiarovana an’ aterineto an'i Laura Pollan, mpitarika nalaza sy nohajaina tamin'ny mpanohitra any Kiobà, Las Damas de Blanco. Tranokala maro no mifantoka amin'ny fanapahan-kevitry ny vondrona hanohy ny tolona ho fanajana ny zon'olombelona any an-toerana na dia teo aza ny fahafatesan'i Pollan, ao anatin'ny fanjakana voasazy...

Frantsa: Rantsan-tànana Manga Sy Ranomasom-pifaliana Noho Ireo Toniziana Am-pielezana Afa-Mifidy

Nandeha nandatsa-bato ireo Toniziana monina ao Frantsa androany (20/10/2011) alohan'ny fifidianana izay hatao any amin'ny firenen-dry zareo ny 23 Oktobra. Diboky ny hafaliana sy nirehareha tokoa ireo mpifidy fa afaka nifidy malalaka sy ara-demaoratika, voalohany tao anatin'ny 50 taona ary sivy volana monja taorian'ny revolisiona Arabo - ary mampidera ny...