· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2008

Iran : Tamberin'ny taona 2008

Tamin'ny volana Aprily 2008 no namoahan'ny Berkman Center for Internet and Society (ivotoeran'i Berkman misahana ny aterineto sy ny [orinasa na] fiaraha-monina) fanadihadiana mahaliana milaza fa manodidina eo amin'ny 60...

29 Desambra 2008

Brezila: Lasa mpamono olona mihitsy ny pôlisy breziliana

Amin'ny fotoana ankalazana indrindra ny andro ho an'ny zon'olombelona, ary raha nisy vono olona mitovy tamin'ity mihitsy izay niteraka fitokonambe tany Gresy, dia mihiaka mafy ny mpamaham-bolongana Breziliana manohitra ny fomba tena mampihivinginvin-doha nefa tsimatimanota ataon'ny pôlisy ao Rio de Janeiro - tamin'ity fotoana ity kosa ny niharandoza dia zaza vao telo (taona) monja.

13 Desambra 2008

Serbia: Vondrona mpanandratra firenena Serba ao amin'ny Facebook

Eto ampanombohana dia sahirana mandrakariva aho mpandika teny malagasy amin'ny fanavahana ny nasionalista sy patriôty. Noho izany manomboka izao ny nasionalista dia hataoko hoe mpanandratra ny firenena (mba tsy hanaovana ny hoe mpankahala vahiny) ary ny patriôty kosa no hataoko hoe tia tanindrazana. Hiditra amin'izay lazain'ny lahatsoratra nadika amin'izay aho. "Antsilava, tadivy, Srebrenica!" (Nož, Žica, Srebrenica!) no iray amin'ny teny filamatra tian'ny mpanandratra ny Serba indrindra. Nisy ny fotoana nitsangana ny vondrona Facebook iray manana mpikambana 1 045 mitondra io anarana io sy vondrona iray hafa manohitra azy kosa manana mpikambana 10 584 ary mitaky ny mpandrindra ny Facebook hanakatona ny vondrona NOŽ ŽICA SREBRENICA!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! satria "manome voninahitra ny fandripahan-dehilahy sy zazalahy 8000 nitranga tany Srebrenica" io vondrona io. Indro i Sinisa Boljanovic mandika teny (anglisy) ho antsika ny resaky ny mpamaham-bolongana Serba.

12 Desambra 2008