Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2023
Mpanao gazety marobe nifandray tamin'ny tranonkalam-baovao Azerbaijaney iray nosamborina
At least three Azerbaijani journalists were arrested on November 20 from Abzas media in connection with corruption reporting. International press groups are calling for their release. Mpanao gazety Azerbaijaney telo farafahakeliny avy amin'ny media Abzas no nosamborina tamin'ny 20 Novambra, izay mifandraika amin'ny tatitra momba ny kolikoly. Mitaky ny hamotsorana azy ireo ny vondrona mpanao gazety iraisam-pirenena.
Iza ireo mpihoko ao anatin'ny “Mouvement du 23 mars” (M23) ao atsinanan'i RDC?
Mametraka ny lalàny amin'ireo mponina any atsinanan'i RDC ny vondrona mitam-piadiana M23. Fa ahoana ny tantaran'io hetsika io? Izany rehetra izany, mialoha ireo fifidianana ben'ny tanàna daholo.
Nanoratra hira rap mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniny novoina ilay mpikatroka manohitra ny fitondrana miaramila ao Myanmar
"Te hamorona sangan'asa haharitra aho ary mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniko, raha maty alohan'ny hahombiazan'ny revolisiona."
Famotsipotsirana ny olana: Ahiahim-by mavesatra amin'ny famatsian'atodiakohon'i Bangladesh
Ny atody no loharanon'ny proteinina mora vidy indrindra ao Bangladesh. Nahatsikaritra tahan'ny metaly mavesatra ambony anaty atody eny amin'ny toeram-piompiana ao an-tanànan'i Dahaka ny fikarohana vao hainganan, ka miteraka loza ara-pahasalamana.
Governemanta Kambodziana, UNESCO voarohirohy amin'ny famindram-bahoaka ao Angkor Wat
”Fianakaviana mihoatra ny 10.000 no noterena hafindra toerana hiala ny Angkor Wat “saika ny rehetra ... no voalaza fa voaroaka na noterena handao an'i Angkor taorian'ny vono vorona, fanorisorenana, fandrahonana, ary herisetra nataon'ny manampahefana Kambodziana.”
Ataon'i Tonizia ahoana ny hampidirany ireo mahantrany mitombo ho ao anatin'ny fiarahamonina nomerika tsy mitsaha-mitombo?
Amin'ny taona izay tokony ho haha-teratany nomerika azy ireo dia tanora Toniziana marobe no manomboka fiainana, tsy manana ireo fahaizamanao fototra hivezivezena anatin'ny tontolo vao mainka saropady sy nomerika.
Nirohotra nankany San Francisco ireo mpanao fihetsiketsehana mialoha ny fivorian'ny Xi-Biden amin'ny APEC
Notsenain'ny mpanao fihetsiketsehana an-jatony sy vahoaka nitsena azy tao San Francisco mialoha ny fihaonany amin'ny filoha amerikana Joe Biden ny filoha Shinoa Xi Jinping.
Filipiana mpanentana an'onjampeo iray maty nandritra ny fandaharana mivantana
"Maneho ny loza mitatao amin'ny lahateny demokratika ao Filipina ity fihetsika feno habibiana ity. Fisehon'ny fironana mampiahiahy sy mitohy izany izay manaloka haizina amin'ny media tsy miankina."
Zimbaboe : mitolona ho amin'ny fankatoavana azy ireo sisampaty tamin'ilay fandripahana tao « Gukurahundi »
.«. [Na iray aza] tsy misy firenena eto an-tany ka hoe nivoatra raha tsy notsaboina araka ny tokony ho izy ireo tsy rariny tany aloha»
Taratasy misokatra ho an'ireo mpitarika Karaiba manentana azy ireo mba hampitondra fanovana ny COP28
Namaritra sehatra telo lehibe hanampy amin'ny famahana ireo olana midadasika atrehin'ny faritra ireo mpanao sonia, ao anatin'izany ny tsy fitoviana, ny fahantrana, ary ny "haavon'ny trosa manafintohina", izay vao mainka miharatsy noho ny fiovan'ny toetr'andro.