Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jolay, 2016
Tapitra Ny Hetsipanoherana Lavareny Nataon'i Irom Sharmila, Fa Mitohy Kosa Ny Tsimatimanota Miaramila Any Avaratra Atsinanan'i India
"Nampiasain'ireo media nasionaly [...] ho seho ny fifadiany sakafo, isantaona. Ny fifadiana hanina no nananganan-dry zareo tantara, fa tsy izay antony nifadiany hanina"
Tsikera Momba Ireo ‘Miaramila Tsimatimanota’ ao Kashmir Tantanin'ny Indiana
Tato anatin'ny herinandro vitsy, ankoatra ireo toeran-kafa, nisy ny hetsi-panoherana tao Delhi sy Calcutta, notakian'ny ny mpanao fihetsiketsehana ny fanafoanana ny AFSPA sy PSA sy fanesorana tsy misy hatak'andro an'ireo miaramila ao amin'ny faritra Kashmir.
Nahatonga Korontana Tao Sodana Atsimo Ny Fifandirana Ara-Politika, Nahafatesana Olona An-jatony
Nahatonga fifandirana mitam-piadiana nandritra ny andro maromaro ny fifamaliana teo amin'ny Filoha Salva Kiir sy ny Filoha Lefitra Riek Machar, izay efa ela no mpifanandrina ara-politika,
Nahazo ny Tambajotram-pifandraisan-davitra Azy Ireo Manokana Ihany Ny Vondrom-piarahamonina Indizeny ao Meksika
Sambany teo amin'ny tantara, nahazo fahazoan-dalana hampiasa tambajotram-pifandraisan-davitra ho an'ny fokonolona indizeny ny mponina ao Mixe, Mixteco, ary Zapoteco ahafahana miditra amin'ny tolotra aterineto sy finday.
Soritroritan'i Prof. Fatoumata Harber, Psikology Sady Bilaogera Ny Fiainana Andavanandron'ny Mpitolona Iray Ao Tombouctou
Ny ankamaroan'ny vahoaka any avaratr'i Mali dia tsy mifamatotra amin'ireny vondrona mitam-piadiana ireny, tsy mpitaky fahaleovantena.
Taorian'ny Fanafihana Tao Nice, Efa Tsapa Sahady Ny Voka-dratsiny Eo Amin'ny Fizahantany
Hanao randra-tarihana ara-toekarena goavana ao amin'ny faritra PACA ao Frantsa ny voina nitranga tamin'ny 14 jolay.
Manohy Ny Famoriam-bahoaka Ireo Mpanohitra Ao Maldiva Na Dia Teo Aza Ny Fanakanana Nataon'ny Governemanta
"Manao ny tsikera ho heloka bevava i Yameen ....ao anatin 'ilay drafitra fanavaozana ."
Fantaro Ilay Vondrona Feminista Nikaragoaiana Miady Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy Ao Amerika Afovoany
Manoka-tena ho amin'ny fanabeazana, famoahana (boky aman-gazety) ary fanomanana fihaonana amin'ny fandehan'ny resaka miralenta ao amin'ireo fiaraha-monina ao Amerika Afovoany sy ny fomba ahafahan'ny vehivavy miara-miasa amin'izany ny mpikambana ao aminy
Nakaton'i Etiopia Ny Fifandraisana Nomerika Taorian'ny #OromoProtests
Niteraka fikasana isan-karazany teo amin'ny governemanta mba hametra ny fifamoivoizana nomerika sy hanakatona ireo tolotra telecom ao Oromia ny votoaty tsy tapaka momba ny #OromoProtests..
Atleta 10 Avy Aminà Firenena Efatra Handray Anjara Amin'ny Lalao Olimpika Ambany Faneva Tokana: Mpitsoa-ponenana
"Tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana, tsy nanana fotodrafitrasa izahay – na kiraro aza tsy nanananay. Tsy nisy toerana fanazarantena akory. Na ny toetrandro aza tsy tsara nanaovana fanazarantena..."