Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2014
Fanamby : Nanala Ny Voaliny Ny Vehivavy Iraniana
Nanao fanamby nanala ny voaliny daholo ireo vehivavy Iraniana mpikatroka mafàna fo mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny vehivavy. Jereo hoe ahoana ny nandikàn'izy ireo ny lalàna sy ny niatrehany ary nandefasany ny sariny tao amin'ny aterineto.
Mifaninana Amin'ny Fifidianana Eoropeana Ny Olona Manana Fahasembanana Sy Ireo Manana Aretina Tsy Fandre
"Izahay dia vondron'olona tratra mivantana na ankolaka amin'ny fahasembanana na aretina tsy fandre, navondron'ny tanjona iraisana — hanatsara ny androm-piainan'ireo izay iharan'ireo toe-javatra ireo."
Mpikanto Mampiranty An-tsary Ny Hanin'Ireo Iraniana Te-Hody An-Tanindrazana
Iraniana marobe monina any ivelany (am-pielezana) no nahatsiaro ny tanindrazany izay tsy hahafahany miverina mody noho ny tahotry ny fanenjehana. Ka ny mahatsiaro ny firenena niaviany hatrany an-tany lavitra amin'ny alalan'ny fampirantiana sary sisa no hany nataon'izy ireo
Lehilahy Makedoniana Iray: 65 Taona Niadiana Mba Hamerenana Ny Fananany
Nalefan'ny mpitoraka bilaogy teo amin'ny bilaoginy ny momba an'i Dushko Brankovikj, izay efa indroa lasa fananam-panjakana izay ny fananany. Nandresy tamin'ny fitsaràna rehetra izy teo aloha, fa mbola tsy naverin'ny fanjakana taminy ihany izany.
Tranga Mampihoron-Koditra Noho ny Adi-tany Ao Andranondambo, Madagasikara
Nitatitra ny L'Express Mada fa potika ny tanànan'Andranondambo ao atsimon'i Madagasikara [fr] nandritra ny adim-pokonolona niainga tamin'ny adi-tany. Nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 mey, tsy nisy tafavoaka velona tamin'ny...
Fitsarana Ny Raharaham-Pamonoana Mpanao Fihetsiketsehana Tao Torkia Notantaraina Twitter Mivantana
Nitantara mivantana tamin'ny alalan'ny Twitter ny fizotran'ny fotoa-pitsarana ilay raharaha namonoana mpanao fihetsiketsehana Ali İsmail Korkmaz tao amin'ny zaridainan'i Gezi mba hifantohana amin'ity raharaha ity ny mpiserasera.
Mpikatroka Roa Nosamborina Nandritra Ny Famoretana Fihetsiketsehana Tao Alzeria
Tanora mpikatroka teratany Alzeriana i Mohand Kadi ary teratany Toniziana kosa i Moez Benncir. Nosamborina izy ireo raha niara-nisotro kafe teny amin'ny terasy tao afovoan-tanànan'ny renivotr'i Alzeria nandritra ny fihetsiketseham-panoherana milamina «Barakat !» andro iray alohan'ny fifidianana filoham-pirenena.
GV Face: Ho Famotsorana Ny Blaogeran'ny Zone 9 ao Ethiopia

Blaogera sy mpanoratra gazety sivy --mpikambana ao amin'ny Global Voices ny efatra amin'izy ireo -- no migadra noho ny asany ao Ethiopia amin'izao fotoana izao. Fantaro ary ny fomba hanohananao ny fanentanana #FreeZone9Bloggers !
Ethiopia: Mangataka Fanalava-Potoana Hanohizana Ny Famotorana Ireo Bilaogeran'ny Zone 9 Ny Polisy

Nilaza ireo namana avy ao amin'ny Global Voices fa nampihetsi-po tanteraka ny zava-niseho tao ivelan'ny fitsarana Addis Abeba raha nipoitra nandritra ny fotoana fohy ireo gadra bilaogeran'ny Zone 9.
Tokony Hitondra Ny Zanany Any Amin'ny Fihetsiketsehana Ve Ireo Ray Aman-dreny Manohitra Ny Nokleary Ao Taiwan?
Raha nanaisotra sy nitifitra tafondron-drano tany amin'ny vahoaka nanao fihetsiketsehana ho fanoherana ny toby nokleary faha-efatra ao amin'ny nosy ny polisy. Nisy ankizy sy zazakely ihany koa tao anatin'ny fihetsiketsehana.