Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2015
Maro Lavitra Noho ny Lalao Baolina Kitra Ny Nalaza Tao Brezily Tamin'ny Taona 2014
Misy ihany koa ny oroka pelaka hita amin'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra, ny adihevitra manoloana ny fahavakavahambolonkoditra sy ny fitsaram-bahoaka, hita tao amin'ity firenena lehibe indrindra ao Amerika Latina ity tamin'ny 2014 ihany koa ireo.
Fisamborana, Baomba Mandatsa-dranomaso sy Fihetsiketsehana No Nandraisan'i Bahrain Ny Taona Vaovao
Fisamborana ny lehiben'ny mpnohitra malaza, Shaikh Ali Salman no nandraisan'i Bahrain ny taombavao. Mitohy ny fifandonana satria mitaky ny famotsorana azy ny mpanao fihetsiketsehana.
Voavely Karavasy Noho Ny Fananany Hevitra Liberaly Ilay Bilaogera Saodiana Raif Badawi
Novelesina karavasy imasom-bahoaka tao Arabia Saodita ilay bilaogera Saodiana liberaly Raif Badawi rehefa voampanga ho nanangana forum antserasera hoan'ny daholobe sy "nanevateva Islamo".
Avotsotry Ny Filoha Venezoelana Ny Mpitarika Ny Mpanohitra Raha Afahan'i Etazonia i Oscar López Rivera
Any Am-ponjan'i Etazonia 33 taona izao ilay Poerto Rikana Oscar López Rivera. Antsoina ho gadra politika voatazona ela indrindra ao amin'ny Ilabolantany Andrefana izy.
Fandàvana Fanitrihana Am-pàsana Ny Zazakely “rom” Tao Frantsa : Anelanelan'ny Hatezerana Amin'ny Maha-olona Sy Ny Fahabangàn'ny Lalàna
Nolavin'ny ben'ny tanànan'i Champlan ny handevenana zazavavikely iray tao amin'ny kaominina iadidiany satria hoe tany amin'ny kaominina hafa no natao ny filazana fahafatesana.
Fefy Vy Iadiana Amin'ny Tsy Manan-kialofana Ao an-Tanànan'i Angoulême
Ny fety tao an-tanànan'i Angoulême tamin'ity taona ity dia nandray fepetra manohitra ireo olona tsy manan-kialofana. Niparitaka ny tsy fankasitrahana, haharitra ve izany?