Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2010
Fanampiny momba ny fanenjehana ara-politika eto Madagasikara
Fanazavana lavalava ihany no nosoratan'ny mpamaham-bolongana Alain Rajaonarivony momba ny fisamborana mifandraika amin'ny raharaha politika vao nitranga teto Madagasikara (fr). Mitantara ny fandehan'ny fisamborana [na fisavana ny trano] nahazo azy ireo...
Haiti: Fihetsiketsehana hanoherana ny Firenena Mikambana vokatry ny kôlera
Telo andro taorian'ny fanambarana ny trangan'aretina kôlera voalohany tany Haiti, The Life and Times of the Mangine Many namoaka tao amin'ny bilaogy: Tena marina? kôlera? Nataoko fa efa tsy nisy...
Thailandy: Fatin-jazarano 2000 tao amina toeram-pivavahana Bodista
Maherin'ny 2000 ireo zazarano nalàna tsy ara-dalàna tratra tao amin'ny toeram-pivavahana Buddhist tany Thailand, ary namelona indray ny adihevitra izany momba ny hoe sao dia efa tonga ny fotoana tokony hanavaozana ny lalàn'ny firenena momba ny fanalàn-jaza. Mizara ny heviny ireo mpampiasa aterineto.
Amerika: Tsiaro an'aterineto mpifindra monina 72 tratran'ny famonoana faobe
Taorian'ny roa volana farany teo, dia nanangana tetikasa amin'ny alalan'ny aterineto ilay mpanao gazety fanta-daza Alma Guillermoprieto vokatry ny famonoana olona miisa roa amby fitopolo niseho tao amin'ny firenena Meksikan'i Tamaulipas tamin'ny volana Aogosotra taona 2010. Ny 72migrantes.com dia vohikala natao hanehoam-pahatsiarovana an'ireo mpifindra monina novonoina ho faty.
Serbia: Polisy Mihaza vondrona Facebook mankahala vehivavy
Ny Lehiben'ny Fampanoavana Serba, miara miasa amin'ny Ministeran'ny Atitany Serba, dia nanao fanadihadiana mikasika ny vondrona Serba ao amin'ny Facebook "Fahafatesana ho an'ny vehivavy“ ("Smrt ženama"), izay nampiely fahankahalàtrna vehivavy.
Goatemalà: Tahirin-kevitra manazava ny momba fampanjavonana olona
Lasa fitaovana hiadiana amin'ny tsy fahazoana sazy ireo rakitra sy tahiry ofisialy, ka manome porofo ahafahana manenjika ireo mpanao ratsy. Nanampy tamin'ny famahàna raharaha iray momba ny fakàna an-keriny tany Guatemala ny fahazoana alalana amin'ny tahiry.