Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2023
Raha ankatoavina, ny ratsy no betsaka ho entin'ilay tolodalàna momba ny bilaogera ao Tajikistan
Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, nahitàna fihemorana be ny momba ny fahalalahana ara-pôlitika sy ny fahalalahan'ny fanehoankevitra amin'ny ankapobeny ao amin'ny firenena
Manao ampaham-pamotsoran-keloka mpitarika anaty fitohizan'ny krizy sy fanoherana ny jadon'i Myanmar
"Tsy hamaha ny olan'i Myanmar voalohany indrindra ny fampihenan-tsazy an-tranomaizina ireo olona tsy tokony nohelohina mihitsy."
Fangitra: Inona no vakiana mba hahatakarana ny adihevitra ao Gabon?
Fangitra: Inona no vakiana mba hahatakarana ny adihevitra ao Gabon? Medias, tatitra art tambajotra sôsialy
Miaina anaty tahotra sy hakiviana ireo mpihira ao Afghanistan noho ny fandraràn'ny Taliban ny mozika
"Nanova an'i Afghanistan ho toerana tsy misy mozika sy zavakanto ny Taliban. Nanova azy ho firenena mangina sy moana izy ireo."
Tohin'ny adiny amin'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ao Kyrgyzstan ny rakikiran'i Zere vaovao
Manohy miresaka momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny hira no sady mitrandraka ireo olana ara-tsosialy sy ara-politika hafa ao Kyrgyzstan manoloana ny zava-niainany akaiky sy manokana ary ny tantarany hatramin'ny fahazazany.
Olona nandositra an'i Rosia : «izahay koa tsy nomena trano”»
Heverin'i Valeria ho tsy dia misy dikany ny tantarany : "Nandao an'i Rosia aho satria tsy vitako ary tsy te-hangina aho, sady tsy te higadra noho izany koa aho."
Andian-tantara vaovao amin'ny TV ao Taiwan, mikitika ny resaka saropady momba ny foko, ary tona ao amin'ny Netflix
Andiana tantara iray amin'ny fahitalavitra ao Taiwan mitondra ny lohateny hoe "Port of Lies", nalefa ihany koa ankehitriny tamin'ny Netflix, no niatrika ny iray tamin'ireo olana tena saropady indrindra ao Taiwan amin'izao fotoana izao : ny foko.
Tao Niger, naongan'ireo miaramila ny Filoha Mohamed Bazoum
Ireo fanafihana jihadista, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahaiza-mitantana sy ny kolikoly tao Niger no nampiongana an'i Mohamed Bazoum naongan'ireo miaramila avy amin'ny mpiambina ny filoha.
Ny nofinofin'ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona Loujain Al-Hathloul ao amin'ny bokin'ny ankizy
Ao amin'ny tantara, maniry ny hanidina miaraka amin'ny elany i Loujain kely, nefa ny ankizilahy ihany no nanana izany zo izany. Na dia teo aza ny zava-tsarotra, manohana ny nofinofiny ny fianakaviany, ka mahatonga azy ho maherifo manome aingam-panahy.
Palestiniàna miady ho an'ny tranon'izy ireo ao Jerosalema Atsinanana
Araraotin'ireo fikambanana mpanjanaka Israeliana, tohanan'ny Fanjakana, ny fampiasàna ilay lalàna fanavakavahana mba hakàna tsy an-drariny ny tranon'ireo Palestiniana, mampiasa fomba lazaina ho ara-dalàna hahafahana manàla an-keriny ireo fianakaviana amin'ny trano fonenany.