Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2021
Manasongadina ny manjo ireo Kristiana vitsy an'isa ny hira iray nandeha onjam-peo Alzeriana
“Nisedra sakana maro aho...Sarotra be ny milaza amin’ny olona eto Alzeria fa Kristiana aho.”
Lalàna maneritery: lalàna vaovao ho an'ny heloka an-tserasera ao Libia
"Ny fotoana nanambaràna ilay lalàna, niaraka amin'ny hoe tsy ho ela intsony ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, dia nahatonga ny maro hanontany tena momba ny tanjon'ny fanapahankevitra tahaka iray tahaka izao."
Avy any Meksika hatrany Aostralia, miverina mandinika ny aterineto ho an'ny fitenin-dry zareo ireo tanora teratany
Mitàna anjara toerana goavana amin'ny fametrahana ireo fiteny manjakazaka ny aterineto, saingy ampiasain'ireo tanora kosa izy io hanomezana toerana ny fitenin-dry zareo
Latino mpifindramonina ao Etazonia: Niova ve ny toe-draharaha?
Tantaran'ireo herin'ny asa "tsy hita maso" any Etazonia: Na dia efa mihena aza ny tahan'ny fahantrana, mbola ao anatin'ireo mahantra indrindra sy tsy mandia fianarana indrindra ny Latinos.
Velona ny lova navelan'ilay vazimba Kolombiana mpanangom-baovao novonoina
Vao maika nampirehitra ny vondrom-piarahamonina hikiry amin'ny tolona hiarovana ny vala tahirin'ny vondrom-piarahamonina Kokonuko sy ny fananany iombonany ny fahafatesan'ilay indizeny mpanangom-baovao Efigenia Vásquez.
Manamafy ny sisintany miaraka amin'i Belarosia i Polonina satria mihamafy ny krizim-pifindra-monina
Efa niampanga an'i Lukashenka ho nitondra mpifindra monina avy any amin'ny faritra Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana sy nitondra azy ireo tany amin'ny sisintanin'ny Vondrona Eoropeana hamaliana faty ny sazy ny Vondrona Eoropeana
Mihamaro ireo mitaky hamotsorana an'i Zhang Zhan, olon-tsotra mpampita vaovao mety ho faty any amin'ny fonjan'i Shina tanibe
Nandrisika an'i Shina nandritra ny volana maro ireo vondrona iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona mba hamotsotra ilay olon-tsotra mpanao gazety Zhang Zhan. Nanatevin-daharana ny antso ny governemanta Amerikana tamin'ny 9 Novambra satria miharatsy ny fahasalaman'i Zhang, ary mety tsy ho tafavoaka velona any am-ponja amin'ny ririnina ho avy izy.
Mitohy ny fisamborana ireo Shiita any Azerbaijan
Rustamov no olo-malaza Shiita farany nokendren'ny manampahefana tamin'ny fisamborana miharihary ireo olo-malaza Shiita ao amin'ny firenena.
Fantaro ireo tanoran'ny Nosy Pasifika mitolona hisian'ny hetsika amin'ny toetrandro ao amin'ny COP26
"Olombelona mahari-pery izahay, saingy ekenay ny filàn'ny firenenkafa manangana ny faharetany tahaka ny hoe mila miady vintana isika!"
Mety ho lakilen'ny fampitsimbadihana ny politika tratra aoriana ao Afovoany Atsinanana ve ny fikatrohana hiaro ny zon'ny LGBTQ+?
"Any Ejipta ka hatrany Torkia sy hatrany Iran, mihemotra ireo governemanta ao MENA amin'ny fampiatiana ny LGBTQ+, no sady mampiasa media sosialy sy finday hanaraha-maso sy hikendrena ny vondrom-piarahamonina."