Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2022
Azerbaijan, hozongozonin'ny onja vaovaom-pisamborana atosiky ny pôlitika
Efa an-taona maro ireo fiarahamonina sivily sy mpanakiana fanjakana no kinendrin'ny filam-baniny, fandemena ary fisamborana. Manamarina ny fomba fanao hatrizay ilay onjana famoretana nitranga vao haingana
Ny Torolalana indiana 2022 fahazoan'ny Fampitam-baovao fankatoavana
Nampiketrona ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanao gazety, ireo mpikatroka, ary ireo olom-pirenena indiana voakasik'izany ny torolalana vaovao fahazoana fankatoavana noho ny fanomezana vahana ny manampahefana.
Tsy hiadaladala no nahatongavako, fa fotsiny hividy voasary makirana
"Antenaiko fa ho avy ny andro izay tsy ho toy izany intsony rehefa hividy voasary makirana aho, ary ny toerana fivarotana tsy ho lasa toerana iray hafa ao anatin'ny fiarahamonina handraisana ny olona araka izay afeniny any anaty zipony any."
Efa-taona nijoroana: mahantra vokatra ao an-toerana sy mahalafo betsaka sy be sivana ny tsenan'ny sarimihetsika saodiana
Efa-taona taorian'ny nandravan'i Saodiana ny fandrarana ny sinema nandritra ny efa-polo taona ho anatin'ny “amboaram-panavaozana”, dia maro no manontany ny fileferan'ny manampahefana amin'ny fahasamihafana eo anivon'ny sivana henjana.
Shireen Abu Akleh, mpanao gazety Palestiniana malaza, maty voatifitry ny bala Israeliana teo amin'ny lohany
Notifirina tamin'ny bala teo amin'ny sofiny i Shireen, teo ambanin'ny arolohany na dia nanao akanjo famantarana ny mpanao gazety sy nijoro teo amin'ny toerana tazan'ny miaramila Israeliana izay nitifitra azy aza izy.
Mpitarika ara-panahy Mayana nampagaina ho ‘mamosavy’ tao Goatemalà, navotsotra avy eo
Nampangaina ho mamosavy i Adela Choc Cuz, manampahefana ara-drazana iray sady mpikambana ao amin'ny fanoherana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ao El Estor, ary navotsotra taty aoriana.
Kameroney Mpikatroka nahazo ny lokan'ny Zon'olombelona RFK 2022
Nomem-boninahitra noho ny asany maharitra dia maharitra amin'ny fiarovana ny sehatra sivika sy ny demaokrasia manerana an'i Kamerona sy Afrika Afovoany ny asan'ireto mpikatroka avy amin'ny faritra miteny anglisy sy miteny frantsay avy ao Kamerona ireto.
Voarara ao Hong Kong ny fiareta-torin'ny vono olona tao Tiananmen, fa mbola tsy voakosoka ny fahatsiarovana manerana izao tontolo izao
Nampitandremana ireo HongKongers mba tsy hitsapa ny lalàna sy ny fahavononan'ny manampahefana amin'ny fampiharana ny lalàna.
Handositra, sa Tsia? Izany izao no fanontaniana ao Sri Lanka
Ankehitriny ry zareo SriLankey dia miatrika ny fotoana manjombona indrindra amin'ny resaka fahasahiranana ara-bola mahazo ny rehetra, maniry ny handao ny fireneny ny ampahefatry ny vahoaka, indrindra fa ny tanora sy ireo nahita fianarana
Valinteny feno famoizampo manoloana ny fihibohana vokatry ny COVID-19 ao Shina: ‘Izahay no taranaka farany.’
Ny sasany mandika ilay "fanambaràna Izahay no taranaka farany" ho toy ny endrika farany feno famoizampo hanoherana ny fanamparam-pahefana.