Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2016
Manontany Ny Bilaogera Hoe Nahoana No Mbola Hita Anaty Boky Ao Trinite Sy Tobago ny Fampanambadiana Ankizy
"Tsy olan'ny taona sy fahamatorana ihany izany, fa olan'ny fahefana ihany koa."
Fotoana Izao Hanoherana Ny Kabarim-pankahalana Antserasera Ao Myanmar
Nanangana pejy Facebook natokana hiadiana amin'ny fitomboan'ny tranga kabarim-pankahalana ao Myanmar ny mpikatroka. Fantaro ny “Tetikasa Tsy Mila Kabarim-pankahalana.”
Ny Fanambaran'ny Vondrona Eoropeana Manoloana Ny Fanafahana An'i Marco Mavungo Tao Angola
tokony ho dingana voalohany mankany amin'ny fahazakan'ny governemanta, eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona ao Angola, ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony hanafaka an'i Marcos Mavungo, hoy ny fanambaran'ny mpitondratenin'ny Vondrona Eoropeana.
Teratany Rosiana Nogadraina Fa Naka Sary Polisy Nisambotra Vehivavy Nisalotra Hijab Tao Tajikistan
"Dia avy eo ry zareo gaga rehefa mandeha manatevina ny ISIS ny olona."
Tian'i Myanmar Mba Hatsahatr'izao Tontolo Izao Ny Fampiasàna Ny Teny Hoe Rohingya Hanondroana Ireo Vondrom-poko Enjehana
"Aleo tsy ny resaka fiantsoana no ifandaharana, fa fifanakalozankevitra eo amin'ireo Bodista maro an'isa sy ireo Miozolmana vitsy an'isa no hatomboka, ary hikatsaka vahaolana iray maharitra, ."
Tantara iray Momba Ireo ‘Olona Tsy Fantatra Anarana izay Miaina, Mitia, Manohitra Sy Miady’ Ho An'i Syria
"Kely no mba rentsika momba ireo izay manohitra, manorina ary manangana indray ny firenena, ao anaty vanimpotoana miha-sarotra," hoy ilay mpikatroka, mpanao gazety, sady mpanoratra ho an'ny Global Voices, Leila Nachawati Rego momba ilay tantara vaovao nosoratany
Tsy Fotoanan'ny Fanaovana Akanjobà Misy Sary Maritoa sy Antsimbilona Izao Any Indonezia
"Fahatahorana ny kaominisma, fahatahorana ny fahalalahana, fahatahorana ny LGBT, fahatahorana ny Shinoa sy ireo hery avy any ivelany: toetoetran'ireo manana fahatsapàna ho ambany. Matahotra ny havendranan'ny tenany ihany."
Toeram-pitsaharana Iray Kintana Telo Ao Athens Ho An'ireo Mpitsoa-ponenana Ela Nijaliana
Tena dia naharitra ela sy nampidi-doza no niainany, hany ka fitaka no tao an'eritreritr'i Ali Jaffari voalohany raha nanome azy efitrano tao amin'ny Hotely iray Kintana Telo tao Athens ho an'ny fianakaviany ny namana Grika iray.
Okraina : Ny Fomba Handaminana Ny Olan'ny Mpitsoa-Ponenana Mankany Eoropa
Raha toa ka ampiasain'ny manampahefana Okrainiana sy ireo mpikatroka amin'ny hery farany havanana mba hahazoana tombony ara-politika sy hanefena ny fijerin'ny olona ny olan'ny mpitsoa-ponenana, ireo mpitsoa-ponenana avy any Afovoany Atsinanana izy tenany kosa dia tsy nirohotra mba hiorim-ponenana any Okraina.
Reninà Miaramila Mamorona Fampiasa Mba Hiarovana Ny Zon'ireo Zazavao
Namorona fampiasa iray vaovao amin'ny finday ny Renin'ireo Miaramila ao Saint Petersburg, fikambanana iray tsy mikatsaka tombontsoa ara-bola, mba hanomezana fanampiana araka ny lalàna sy torohay mahasoa ho an'ireo zazavao ao anivon'ny tafika, ary ahafahan'izy ireo miaro ny zony