Fanandramana Itsapana Ny Olan'ny Fanolanana Ao India. Vokatra Mahasanganehana

Misy antso vonjin-tovovavy amim-pahakiviana avy ao anaty kamiao kely fotsifotsy ao India,  heverina fa niharan'ny fanolanana ao izy, saingy tsy niraika tamin'izany ireo mpandalo maro, tsy mihaino ny fitalahoan'ilay tovovavy. Olona vitsy dia vitsy no niezaka niditra an-tsehatra.

Soa ihany, tsy misy ny zavatra mety atahorana. Narindra ho dihy mirindra izany seho mampalahelo izany, ao anatin'ny lahatsarim-panandramana ny fihetsika ara-tsosialy navoakan'ny YesNoMaybe, vondrona mpampiala-voly ao an-toerana avy ao India tamin'ny 4 Jiona 2014 mba hisarihana ny saina manoloana ny “kolontsain'ny fanolanana” mampahory an'i India”. Nahare fanolanana isan'andro ao India isika, izay nitarika fihetsiketsehana mieli-patrana. Olona an'arivony no nanatrika ny diabe mandrehitra labozia, “hoy ny fivakin'ny famariparitana tao amin'ny lahatsary. “Saingy olona azo isaina amin'ny ratsan-tanana ihany no mihetsika amin'ny zava-dehibe tahaka izany.”

Nalefa fotoana fohy taorian'ny tranga fanolanana vao haingana sy fanapahan-doha ireo tovovavy roa tao an-tanàna ambanivohitra iray ao India ilay lahatsary. Tao anatin'ny 24 ora nandefasana azy, nitatitra ny pejy Facebook-n'ny YesNoMaybe fa nahatratra 150.000 mahery ireo nijery azy. Tamin'ny 12 Jiona 2014, nahatratra iray tapitrisa izany (ary feno 1,65 tapitrisa amin'izao fotoana izao). Andro fohy taty aoriana, nahazo fitantarana avy tamin'ny fampahalalam-baovao Tandrefana isan-karazany ilay lahatsary tahaka ny Time magazine sy ny The Telegraph.

Maro ireo sanganehana tamin'ny tsy fahatairana na tsy firaharahiana nasehoan'ireo mpandalo sasany tao anatin'ny lahatsary kanefa re mazava tsara ilay antso vonjy. Niteraka fahatezerana mikasika ny fomba iadian'i India ny olan'ny fanolanana ilay lahatsary, ary mbola niteraka fahangidim-panahy bebe kokoa teo amin'ireo olona mitolona hamaha ity olana ity.

Ny sasany, tahaka an'i Urmi Agrawal, nanoratra tamin'ny takelaka fametrahana fanehoan-kevitra tamin'ny pejy Facebook fa mampiseho teboka lehibe ny lahatsary.

this movie shud be shown to our so called youth who belive in candle march and talking on social media….but when the strom hit the ground, they do nothing!

Tokony aseho amin'ireo antsoina hoe tanorantsika izay mino ny diabe mandrehitra labozia sy ny firesahana ao amin'ny media sosialy ity horonantsary ity…. saingy raha mandona ny tany ny tafio-drivotra, tsy manao na inona na inona izy ireo!

Ny hafa kosa, na dia izany aza, nampifantoka ny sainy tamin'ny fitantarana nataon'ireo fampahalalam-baovao lehibe mikasika ny lahatsary. Ruchika Tulshyan, bilaogera ao amin'ny gazetiboky Forbes, nitsipaka ny lohateny tao amin'ny “Times”, “Tsy Rototra Manoloana Ny Tranga Fanolanana Araka Ny Asehoan'ity Lahatsary Ity Ve Ny Indiana?”:

Eh, tsara resahina, fa tsy tsara lohateny. Tsy rototra manoloana ny fanolanana ny Indiana?

Ankush Boravke, mpaka sary tsy miankina, naka sary somary manjavozavo:

Diso ny fandraisan'ny time azy. Tsy misy fanantenana ao India

Nitsikera ireo olona ambadik'ilay lahatsary ireo olona sasany naneho hevitra tao amin'ny takelaka fametrahan-kevitra ao amin'ny Youtube. Tirthankar Dubey, mpifindra-monina Indiana monina ao Londra nidera ny fikasan'ilay lahatsary, saingy nanipika fa toa mampiseho ilay lahatsary fa tsy nanokatra ilay kamiao ireo mpilalao horonantsary mba hanaporofoana amin'ireo miahiahy fa tsy nisy vehivavy voaolana tao.

Taorian'ireo fanehoan-kevitra mitovy tamin'ny an'i Dubey maro hafa nipoitra tao amin'ny pejy Youtuben'ilay lahatsary, namoaka valinteny ofisialy tao amin'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny YouTube ihany ny YesNoMaybe:

“Alright here's something you all should know -

1. We talked to all the heroes for a good 5 minutes.

2. We opened the door and showed them what's inside.

3. All of them (including the first guy appreciated what we were doing)

4. On being asked if they would do the same again if needed – ‘Definitely, why not?’”

«Eny, indreto misy zavatra kely tokony ho fantatrareo rehetra -

     1. Niresaka tamin'ireo be herim-po rehetra tao anatin'ny 5 minitra izahay.

     2. Nosokafanay ny varavarana ary nampiseho azy ireo izay tao anatiny izahay.

     3. Nankasitraka ny zavatra nataonay izy rehetra (anisan'izany ilay lehilahy voalohany)

     4 Raha nanontaniana izy ireo raha mbola hanao tahaka izany raha ilaina – hoy izy ireo namaly. ‘? Eny indrindra, fa nahoana mihitsy “

Na dia izany aza, nanomboka nanontany ny dokambarotra azon'ity lahatsary ity hoan'i India ny olona sasany ary na koa mety manimba ny lazan'i India ny nataony fa tsy manao fanentanana.

Nanomboka nanontany izay tena zava-bitan'ilay lahatsary ity mpitaingina moto avy ao Mumbai manana solon'anarana “Oggy F” ao amin'ny YouTube ity :

To be honest, these “social experiments” only damage the already horrible image India has globally. If you're so concerned about what our society thinks, spend your time conducting workshops and creating awareness (among women and men). Videos like these give the world an opportunity to say India is the rape capital of the world.

Raha tsorina, tsy manao afa-tsy ny manimba ny endrika ratsy efa ananan'i India manerantany ireto “fanandramana ara-tsosialy” ireto. Raha tena sahiran-tsaina manoloana izay eritreretin'ny fiarahamonintsika ianareo, lanio amin'ny fikarakarana atrikasa sy fanaovana fanentanana (eo amin'ny vehivavy sy ny lehilahy) ny fotoananareo. Ny lahatsary tahaka ity dia manome izao tontolo izao hilaza an'i India ho renivohitry ny fanolanana manerantany.

Olana lehibe ao India ny fanolanana, saingy manampy hamaha ny olana ve ny fanaovana lahatsary tahaka izao? Ahoana ny hevitrao?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.