Nifanao fotoana teo amin'ny helodranon'i San Juan, renivohitr'i Porto Rico, hanatontosa dia amin'ny alalan'ny kayak niainga avy eo amin'ny helodranon'i Bahía Urbana ka hatreny amin'ny vavahadin'i San Juan, toerana ahatongavan'ny mpandeha an-tsambo tamin'ny alahady 25 mey ny Portorikana anjatony. Ny tanjona amin'izany moa dia ny handraisana an-tsaimbolika (sariohatra) ilay Portorikana gadra politika Oscar López Rivera any amin'ny fireneny.
Ny 29 mey lasa teo no nanamarika ny faha-33 taona nitazonana an'i Oscar am-ponja [en], sazy lava indrindra nihatra tamin'ny gadra politika portorikana. Tsy nisy porofo velively amin'izay heloka bevava nataony ; na izany aza dia nomelohina ho “manomana fanakorontanana” izy noho ny fifandraisany amin'ny Tafi-Panafaham-Pirenena (FALN), izay nanafatrafatra ny hampiasa hery handrodanana ny fanjanahan'i Etazonia an'i Porto Rico.
Misy ireo olo-malaza avy amin'ny firaisamonina iraisampirenena, tahaka ny arsheveka anglikana Desmond Tutu na ilay mpikatroky ny fandriampahalemana Irlandey Tavaratra Mairead Corrigan Maguire, nifanindran-dalana tamin'ny olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao hiampanga ny fanamelohana tafahoatra ampiharina amin'i Oscar.
Nanambara i Oscar fa ny tena alahelovany indrindra dia ny mahita ranomasina. Noho izany toe-javatra izany no nanomanana ny hetsika eny ambony rano, ho vavlombelona amin'ny fanatanterahana izany faniriana izany. Ny hetsika dia nomanin'ny 32 x Oscar, vondrona mpikatroka iray mitolona amin-kafanampo ny mba hamotsoran'ny Filohan'i Etazonia, Barack Obama, ny helony. Ity lahatsarin'ny Noticel ity no ahitana ny sary sasantsasany nandritra io tontolo andro io.
Nizara tamin-kitsimpo ny sasantsasany tamin'ireo sary mandrakitra ny hetsika tamin'ny Global Voices ny mpaka sary mpanoratra gazety Ricardo Alcaraz Díaz.*