· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2010

Chili: Mbola velona ireo mpitrandraka 33 tafahitsoka

Mpitrandraka 33 tafahitsoka ao amina fitrandrahana varahina sy volamena nirodana any Chili avaratra no nanamafy tamin'ny alalan'ny hafatra fa velona avokoa izy rehetra ao amin'ny fialofana, sady mihamafy ireo fikarohana sy ezaka fanavotana raha saika very ny fanantenana ny hahita azy ireo velona. Ilay hafatra dia tafiakatra taty ivelany tao anaty harona nifatotra tamin'ny iray tamin'ireo fandavahana izay nampiasaina hahafantarana izay tena misy azy ireo, 700 metatra ambany tany.

27 Aogositra 2010

Iran: Mpitoraka blaogy mety ho voaheloka ho ‘manangana ady amin'Andriamanitra’

GV Mpisolovava

Misonga ny ahiahy fa hoe i Shiva Nazar Ahari, mafana fo iray amin'ny fiarovana zon'olombelona nofonjàna, mpitoraka blaogy, ary tonian'ny famoahana ao amin'ny tanonkalan'ny Komitin'ny Mpitatitra momba ny Zon'Olombelona [Committee of Human Rights Reporters] ao Iran, dia mety hohelohina noho ny resaka moharbeh ( fananganana ady amin'Andriamanitra/fankahalàna an'Andriamanitra) amin'ny fitsarana ho avy atsy ho atsy.

27 Aogositra 2010

Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto

Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.

26 Aogositra 2010

Iran: Fanoherana maneran-tany ny fitoraham-bato

Manana ny salovan-tavany any anatin'ny gazety iraisam-pirenena ankehitriny ireo nohelohina ho faty tamin'ny alalan'ny fitoraham-bato tany Iran, Sakineh Mohammadi Ashitiani, renimpianakaviana iray 43 taona, niteraka roa, izay novonoina ho faty tamin'ny tora-bato tsy ela akory izay noho ny resaka fijangajangana.

23 Aogositra 2010

Chili: Adihevitra nateraky ny famoahan'ny fiangonana Katolika Siliana tolo-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka

Namoaka tolo-dalàna ny fiangonana Katolika Siliana mikasika ny tokony hamelàna ny helok'ireo olona sasany voaheloka noho ny fanitsakitsahana ny maha-olombelona. Niteraka adihevitra io tolo-dalàna io teo amin'ny tontolon'ny blaogy, satria tafiditra ao anatin'izany fangatahana izany koa ireo olona voaheloka tsy am-pisalasalana noho ny fanamavoana ny zon' olombelona nandritry ny fotoana nisian'ny didy jadona nataon'i Augusto Pinochet.

21 Aogositra 2010