Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2011
Sina: Mpisolovava Momba Ny Zon’Olombelona Voatazona Am-ponja Nohadiadiana Momba Ny Fiainana Ara-Pananahana
Telo volana taorian’ny famonjàna, Li Tiantian, mpahay lalàna Sinoa dia nanoritsoritra tao amin’ny Twitter ny momba ireo mpanadihady azy nampiasa ny antsipirihan’ny tsiambaratelom-piainany mba hanaovana herisetra taminy. Volana vitsivitsy lasa izay, anjatony mahery ny mpahay lalàna momba ny zon’olombelona an-jatony, mafàna fo, mpanoratra ary mpanakanto no voasambotra na nenjehin’ny lalàna tao Sina vokatry ny fifandonana tamin’ny hetsi-panoherana Jasmine.
Arabia Saodita: vehivavy iray nosamborina satria nitondra fiara
Herinandro lasa izay, renim-pianakaviana saodiana iray nitondra ny fiarany nandeha nanatitra ny zanany tany an-tsekoly any Jeddah. Tamin'ny 22 may 2011, vehivavy Saodiana iray hafa, Manal Al-Sharif, nitondra fiara koa...
Iran: “Eny rehetra eny izahay” fanentanana hanoherana ny tsy fankasitrahana pelaka
Arsham Parsi no mpanorina ny Fikambanan'ny Pelaka Iraniana manana ny foibeny any Toronto, Canada. Tamin'ny 2008, niteny tao amin'ny Global Voices izy fa “fanomezana tsara ho azy ireo ny aterineto.” Tamin'ity taona...
Ekoatora: Telo Taona Taorian'ny Lozabe “Factory”
Ny 19 Aprily 2011 no nanamarika ny faha-3 taonan'ilay Tantara malazan'ny Factory: ny firehetana tao amin'ny Factory, toeram-pandihizana iray tao Quito tamin'ny 2008, tamin'izay no nisy fampisehoana Gothic-rock. 19 no maty vokatr'ilay firehetana ary 24 no naratra mafy. Tamin'ity tsingerintaona ity, nisy fanomezam-boninahitra sy hetsika iray natao mba hanentanana ny olona mikasika ity olana ity nataon'ny fianakaviana sy naman'ireo tra-doza.
Bolgaria: Fifandonan'ny vondrona avy amin'ny elatra havanana sy Silamo tao Sofia
Ruslan Trad mitatitra fa fifandonana mahery vaika no nisy teo amin'ireo mpomba ny antoko nasionalista Ataka (Fanafihana) sy ny Silamo tao an-toerana tao amin'ny maosken'i Bania Basha tao Sofia renivohitr'i Bolgaria, nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ireo nasionalista manohitra ny fanamafisam-peo avy amin'ilay maoske.
Panama: Fahatsiarovana an'i Raúl Leis
Tamin'ny 30 aprily, nodimandry tampoka ilay sôsiology sady mpanoratra Raul Leis. Taorian'ny nahafatesany, nivoaka tamin'ny gazety sy tany amin'ny bilaogy ny asa sorany sy ny momba azy, izay nanasongadina ny...
Arabia Saodita: Vehivavy iray mihaika ny lalàna tamin'ny alalan'ny fitondrana fiara tao Jeddah
Tsy mahazo mitondra fiara ny vehivavy ao Arabia Saodita. Vehivavy iray Saodiana no nanao fitakiana vao haingana mahakasika izany lalàna izany, raha nitondra ny zanany ho any an-tsekoly ao Jeddah....
Kazakhstan: Terantany avy any Kazakhstan nivoaka tamin'ny vaovao maneran-tany – nosamborina ny anankiray, ny iray hafa nisy namono
Terantany avy any Kazakhstan anankiroa no nivoaka tamin'ny vaovao iraisam-pirenena tamin'ny herinandro lasa teo, nampalahelo avokoa ny nanjo azy roalahy. Ny voalohany, Valeriy Tolmachev, mpanolon-tsaina ao amin'ny UNESCO any Kazakhstan, nanafika...
Filipina: Gadra Politika Manoratra Diary Avy Any Am-Ponja ao Anaty Aterineto
Nanangana bilaogy iray handraketana ny fiainany any am-ponja sy ny eritreriny ny mpanakanto Filipiana iray, mpanao gazety sy mafàna fo izay notazonin'ireo manampahefana ao Philippines am-ponja. Ny fianakaviany, ny namany, ireo mpanakanto mpiara-miasa aminy sy mpanoratra avy amin'ny fiarahamonina sivily koa dia nampiasa ny vohikala ho fanentanana ny amin'ny hamotsorana azy.
Fifaninanana Erantany Fitorahana Bilaogy Momba Ny Olan'ny Rano
Ny European Journalism Centre (Ivontoerana Eraopeana ho an'ny Fanaovan-gazety) dia mampanao fifaninana mitoraka bilaogy ato anatin'ny 3 volana miompana amin'ny olan'ny rano, nomena ny anarana hoe TH!NK5. Mpitoraka bilaogy avy amin'ny firenena 40 samihafa no nirotsaka hifaninana, samy te-hahazo ny loka amin'ny famaranana: fandehana any Lisbon, Portugal. Indreto ny sasany amin'ireo lahatsoratra be mpahalala indrindra sy avy any ifotony nosoratan'ny sasany tamin'ireo nivoaka ho mpandresy: