· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2018

Ejipta: Nidal Hassan – Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?

Mpitsabo aretin-tsaina ao amin'ny tafika Amerikana izay teratany Arabo ny Major Nidal Hassan izay nanao ilay fitifirana faobe tao Fort Hood tao Texas, namonoany miaramila 12 ary olontsotra iray. Miatrika fiampangana mikasika vonoolona nokasaina izy ankehitriny. ''Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?'', hoy ireo blaogera Ejiptiana manontany.

31 Desambra 2018

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.

27 Desambra 2018