· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2011

Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy

Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Noraisin'ny mponina an-kafaliana ilay fanapahan-kevitra.

26 Septambra 2011

Bolivia : Nivondrona ireo Ankizy Miasa

Ao Bolivia, toerana izay ny mpikambana ao anaty orinasa no tena mameno ny sendika, nanangana sendika ihany koa ny andianà mpiasa iray hafa: ny ankizy. Bilaogera maro sy mpilaza vaovao maro no nanao izay ametrahana io resaka io ho laharam-pahamehana.

25 Septambra 2011

Arabia Saodita : Mpiaro Ny Zon'olombelona Niakatra Fitsarana

Niatrika fitsarana nasionaly tao Jeddah noho ny "faniratsirana ny fitsarana" ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona, Waleed Abu Alkhair (@abualkhair) . Saodiana maro mpandefa tweet no niresaka ilay raharaha tao amin'ny Twitter mba hanehoana ny fanohanany sy hanakianana ny fomba fiasan'ny manampahefana manoloana ireo mafàna fo.

24 Septambra 2011

Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana

Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia. Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Tohina ireo mpitoraka bilaogy.

22 Septambra 2011

Iran: Vehivavy Iray Mpitoraka Bilaogy Voakaravasy in-50

Ireto ireo teny nosoratan'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Somayeh Tohidloo[fa] tanatin'ny bilaoginy taorian'ny nikaravasiana azy in-50 tany amin'ny fonjan'i Evin ny 14 Septambra 2011: Mifalia, satria raha ny hanala baraka ahy no tanjonareo, ambarako fa mararin'izany famerezan-jo izany ny tenako iray manontolo

18 Septambra 2011

Maraoka: Mitatra Ny Fisamborana Ireo Mafàna Fo

Tampotampoka teo dia nitatra ny fisamborana ireo mafàna fo mpomba ny demaokrasia sy ireo mpanentana anaty aterineto tao Maraoka, tato anatin'ny andro vitsy. Tamin'ny herinandro lasa fotsiny dia efa nisy telo. Zara raha miteny momba izany ny mpampahalala vaovao ary dia nandray an-tànana ny fitaterana ireny fisamborana ireny ireo bilaogera izay vao taitra ny fampahalalam-baovao nentin-drazana tao Maraoka handray ny tantara.

14 Septambra 2011