Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2021
Sazy famonjàna dimy taona no arangarangan'ny manampahefana ao Hong Kong ho an'ireo izay manatrika ny fiaretantory fahatsiarovana ny Vonomoka tao Tiananmen
Nampitandrina ny birao fa araka ny didy fanapahana momba ny filaminam-bahoaka, ireo mandika lalàna dia hiatrika hatramin'ny sazy famonjàna mandritra ny dimy taona na herintaona noho ny fampielezany (fanaovany doka ho) an'ilay fiaretantory.
Mihamanakaiky ny fanovàna ny lalànany momba ny fitoviana ny ao Trinidad & Tobago, tafiditra amin'izany ny fironana ara-pananahana
Taorian'ny dingana goavana nataon'ny iray amin'ireo banky goavana ao amin'ny firenena, niverina indray ny adihevitra momba ny filàna manova ny lalàna momba ny fitoviana ao Trinidad & Tobago
LAHATSARY Myanmar: Fanonganam-panjakana sy tsy fankatoavam-bahoaka
Indro ny famerenana ny webinar Global Voices Insights tamin'ny 22 Aprily momba an'i Myanmar raha tsy nahita izany mivantana ianao.
Ao anatin'ny andiany faharoa amin'ny COVID-19, miantso fanampiana iraisampirenena i Nepal
Rotehan'ny onja faharoa amin'ny coronavirus i Nepal. Miakatra be ny tahan'ny tratry ny aretina ary tototra ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana, miantso fanampiana iraisampirenena i Nepal.
Kambodza, mpikatroka mpiaro tontolo iainana voaheloka fa nikasa hikarakara “fandehanana ataom-behivavy tokana”
"Nosamborina ireo tanora ireo satria niezaka niaro ny farihy lehibe indrindra eto Phnom Penh sy hitahiry azy ho an'ireo andiantaranaka ankehitriny sy hoavy."
Ny sandan'ny fanoherana: Ny vehivavy sy ny fikatrohana pôlitika ao Vietnam
Tokony hihevitra ny vehivavy fa "ny tolona ataontsika dia tsy hanoherana fotsiny ny jadona...fa koa tolona iray hanafahantsika ny tenantsika hiala amin'ireo teritery ara-potokevitra ananantsika, hiala amin'ireo fitsaratsaram-poana izay isika ihany no mametraka azy ho antsika."
Manambara ny fitokonany tsy hihinan-kanina ilay mpikatroka feminisita Rosiana Yulia Tsvetkova
Nangataka fitsarana haingana, nanoratra i Tsvetkova hoe: "Andao hatsahatra ny fiandrasana ireo olona enjehina ho mahery fo. Tsy mila mahery fo isika, Mila misoroka ny fanenjehana ny tsy manan-tsiny isika."
Mpikatrok'i Hong Kong nodidiana higadra noho ny fiaraha-mahatsiaro tamin'ny taona 2020 ny famonoana tao an-kianjan'ny Tiananmen
Nivory hahatsiarovana ny famonoana teo an-kianjan'ny Tiananmen tamin'ny 4 jona ny Hongkongers hatramin'ny taona 1990. Manamarika ny didim-pitsarana fa izay rehetra mbola mandray anjara amin'ny fiaraha-mahatsiaro amin'ity taona ity dia mety hoampangaina ho nanao fivoriana tsy araka ny lalàna.
Ataon'i Georgia mafy kokoa ny fanasaziana amin'ny fandikan-dalàna
Nolanian'ny Mpikambana Parlemantera Zeorziana ny fanitsiana izay mametraka onitra mafimafy kokoa sy fotoana lavalava kokoa ifonjana mialoha ny fotoam-pitsarana amin'ny fandikan-dalàna fampiasan'ny polisy rehefa misambotra mpanao fihetsiketsehana an-dalambe.
#YoTeCreoVZLA: Hetsika manapaka ny fahanginana ela momba fanararaotana ara-nofo ao Venezoela
Nampitombo ny hetsika #MeToo ao Venezoela ny onjam-piampangana vaovao.