Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2016
Makedoniàna Manao Hetsi-panoherana Hiarovana Ny Lalàm-panorenana Amin'ny Fitsaràna Avon'ny Lalàm-panorenana
"Raha ny fahitàna azy, dia toa ara-dalàna tanteraka ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana, ary na inona na inona heloka vitanao, rehefa mbola ny fitsaràna no manaiky azy"
Fitsarana Makedoniana Mandà Ny Fandravàna Didy Nangatahan'ny Mpikatroka Ira Voaheloka Noho Ny Fanalàna Baràka Mpanolotra Amin'ny TV Mpomba Ny Fitondràna
Taona dimy taorian'ny nanombohan'ilay raharaha, farany dia nolavin'ny fitsaràna Makedoniana ihany ny fandravàna didy nangatahan'ny mpikatroka iray voaheloka ho nanàla baràka ny mpanolotra fandarahana amin'ny fahitalavitra mpomba ny fitondràna
Gadra 10 Taona Sy Kapoka 1000 Azon'ilay Mpisera Twitter Tao Arabia Saodita Noho Ny Fialany Amin'ny Finoana

Namoahan'i Arabia Saodita didim-pitsarana higadra 10 taona ny mpisera Twitter iray ankoatra ny kapoka karavasy 2000 atao aminy noho ny famoahana sioka 600 izay "mampiely atheisma" ato amin'ny aterineto.
Herisetra Ara-nofo, Heloka Bevava Atao Amin'ny Zanak'Olombelona : Didy Manantantara Navoakan'i Goatemalà
Taminà didimpitsaràna iray manantantara, nelohin'ny fitsaràna iray tao Goatemalà ho namono olona, nanolana ary nanandevo ireo vehivavy vazimba teratany ireo miaramila fahiny, tamin'ny fanasokajiana ireo heloka ireo ho heloka bevava atao amin'ny zanak'olombelona
Dimy Taona Aty Aorian'ny Nanombohan'ny Fitroarana, Tohizan'ny Governemanta Ao Bahrain Ihany Ny Fanakendàna Ny Mpanohitra
"Na teo aza ny fampanantenan'ny manampahefana fa hanenjika ireo mpitandro filaminana tomponandraikitra tamin'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona nitranga tamin'ny 2011, dia mbola miandry ny rariny hatrany ny vahoaka Barhainis."
Ny Fitomboan'Isa Mampanahy Amin'ny Fisamborana Olona Ao Kambodza Maneho Hevitra Tsy Tiana Amin'ny Aterineto

"Ireo ohatra ireo dia mandravaka mazava tsara ny halalin'ny fironana mampanahy, fa lasa fahazarana ny fisamborana izay mitsikera ireo sangany ara-politika noho ny fanehoan' izy ireo ny heviny ao amin'ny media sosialy."
Mpampianatra Mialokaloka Milaza Fa Manohintohina Ny Fianakaviany Ny Fitondrana Miaramila Ao Thailandy
" Efa hitako ho tsy zaka intsony izao tsy rariny izao. Fa dia mbola manenjika ny fianakaviako tsy miara-manao zavatra amiko ihany ianareo -- tsy azo ekena mihitsy izany toe-javatra izany."
Mpanoratra Ejipsiana, Ahmed Naji Voasazy Higadra Roa Taona Noho Ny Tantarany “Ara-nofo Mibaribary”

Nahazo sazy roa taona an-tranomaizina ilay Ejipsiana mpanoratra tantara, Ahmed Naji noho ny famoahana toko misy tantara "ahitana vetaveta mivandravandra" tao anaty gazetiboky.
Fanakatonana Tampoka Ny Sisintany Nampihitsoka Afghana Mpitsoa-Ponenana An'Arivony Ao Gresy
Ao Idomeni, tanàna kely iray manasaraka an'i Gresy sy i Makedonia, dia pasipaoro iray ihany no hany fanantenana ahafana miampita.
Ny Tantara Am-Bavan'ny Lalàna Yogoslavy Miady Amin'ny Voaly Nanodidina Ny Taona 1950
Nolaniana ny lalàna "..hanatrarana ny tanjona fanesorana ny endrika fankatoavam-pangejana mariky ny taonjato talohabe sy ny fahatrarana aoriana mahazo ny vehivavy miozolomana"