Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2019
Melaneziàna mpanao gazety, miampanga ny loza mitatao tsy mitsaha-mitombo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
"Tsy azon'ny governemanta melaneziàna ny mody manaja ireo fifanarahana iraisampirenena sy ireo firotsahany amin'ny resaka fahalalahana demaokratika no sady, mandritra izany fotoana izany, manome baiko hametrahana hisatra amin'ny zon'ireo mpanao gazety mba tsy ho afaka hiteny.."
Handrafitra lalàna iray mikasika ny aterineto i Zambia mba hanaraha-maso ireo media “mpanaratsy”

Esoin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ankehitriny ny minisitry ny Fampahalalam-baovao, Joseph Katema, tamin'ny nanamafisany fa "tsy mahazo vaovao azo antoka" ireo Zambiana noho ny fifantohan'ireo media amin'ny "fanapariahana laingalainga".
Vondrompiarahamonina sivily miisa 130 miantso ny tafika hanaisotra ny fiampangàna ny olontsotra
"Mpiasan'ny governemanta ireo miaramila. Raha manao ny tsy mety ry zareo, zon'ny olompirenena ny milaza izany. Zon'ny olompirenena ny mampiakatra ny feony”
Fihetsiketsehana ao Iran: Tifitra bala sy fanakatonana aterineto
Mihorohoro izahay amin'ny tatitra fa mpanao fihetsiketsehana am-polony no maty tany #Iran, an-jatony no naratra ary mihoatra ny 1000 nosamborina nanomboka tamin'ny zoma. Gaga izahay fa nakaton'ny manampahefana ny aterineto mba hanakanana ny tati-baovao momba ny famoretana mahery setra ataon'izy ireo. Manao fanadihadiana izahay ankehitriny.
Fahafatesan'ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao Delhi, niteraka fiaretantory nanerana an'i India
Maty tamin'ny 29 Desambra 2012 tao amin'ny hôpitaly tao Singapour ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao New Delhi.. Nantsoina hoe 'Sabotsy Mainty' ilay andro ary olona marobe avy amin'ny lafivalon'ny firenena no tonga nanohitra ity tsy rariny ity.
Tsy misy paradisa ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ao Bahrain
Nalaza ny lahatsary "Famoretana" nataon'ny polisy ao Bahrain, namoaka fanambarana ny minisitry ny atitany: "izay rehetra maka sary hetsika dia tokony hitatitra izany avy hatrany" any amin'ny manampahefana. Roa andro aoriana, sy mifanohitra amin'izany fanambarana izany, maro ireo tezitra tamin'ny vaovao momba ny fisamborana ilay mpanao gazety mpaka sary.