Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2021
Raharaha Uyghur : Mitsipalotra ao Afghanistan ny tena atahoran'i Shina indrindra
Raha hita ho manamafy ny fifandraisana eo amin'izy ireo ny Taliban sy i Shina, dia mety ho vato mahatafintohina ara-diplaomatika kosa ny voina mahazo ireo Uyghurs migadra any amin'ireo lazaina ho toby fanarenana (fanabeazana indray) ao Shina.
Nasaina aho hankalaza ny ‘Andron'i Colomb’. Toy izao no navaliko
"Fanesoana sy fanafintohinana ho an'ireo vahoakanay indizeny sy taranaka Afrikana ny Fetim-pirenen'i Espaina."
Manasongadina ny habibiana any amin'ny fonjan'ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny nosy Manus, Aostralia ny fahafatesana sy ny daroka
"Natahotra sy reraka tokoa ireo mpitsoa-ponenana ary nilaza izy ireo fa tsy nanome sakafo sy fitsaboana azy ireo ny polisy."
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Nihabetsaka ny fanentanana hametaka ny mpanao gazety sy ny fampitam-baovao rosiana ho ‘kasinga vahiny’ taorian'ny fifidianana
Sady mpiantraika mivantana no tena manahirana tokoa ny fiantraikan'ny fehezan-dalàna misahana ny 'kasinga vahiny' ao Rosia amelezana fampitam-baovao sy firaisamonim-pirenena. Tondroina ho 'fahavalom-bahoaka' ry zareo amin'izao fotoana izao.
Famonoana vavy am-bohoka ka hatramin'ny baolina kitra any Nepal
Srijana Singh Thakuri ao amin'ny ekipa nasionaly baolina kitra vehivavy ao Nepal: Tsy maningana ny tantarako. Izany no mitranga rehefa omena vintana, hirika sy andaniam-bola karakarana ny zazavavy sy ny vehivavy.
Nasaina namotsotra ireo gadra 21 nanohitra ny lalànam-pifidianana “manavakavaka” i Qatar
Mandràra ireo Qatari izay voasokajy ho "nampidirina" fa tsy "teratany" tsy hilatsaka kandida amin'ny fifidianana ary mandràra azy ireo tsy hifidy, na izy roa ny lalana vaovao mifehy ny fifidianana ho avy.
Nipoitra indray ilay Shinoa zatra manoratra rehefa nohazonina manokana noho ny nitaterany ny resaka COVID
Niverina ilay shinoa zatra manoratra Chen Qiushi. Saingy mbola tsy hita ireo olom-pirenena hafa zatra manoratra nitatitra momba ny valan'aretina COVID-19 tany Shina. Anisan'izany i Zhang Zhan voaheloka higadra efa-taona.
Mangataka fanafahana ilay mpikatroka Alaa Abd El Fattah ny mpanohana
Niresaka ny fihenan'ny fahasalaman'ny sain'i Abd El Fattah ny mpisolovava azy ary nanatsonga ny teniny fa "tsy afa-manohy aho."
Misaona ilay Indiana mpiaro vehivavy Kamla Bhasin i Azia Atsimo
Namoy ny ainy tamin'ny 25 septambra 2021 tao New Delhi, India i Kamla Bhasin, mpisavalalana ny hetsika zon'ny vehivavy any Azia atsimo. Nahatsiaro azy tao amin'ny media sosialy ireo mpikatroka ary nisaona ny fahafatesany.