· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2013

Hamongotra Ny Andiana Fifindra-monina Vaovao Ve Ny Breziliana?

  30 Jona 2013

Mitarika andiana fifindra-monina any Brezila ny krizy ara-bola maneran-tany, ady ary ireo hetraketraky ny tontolo iainana. Ny fampiroboroboana ireo politikan'ny fifindramonina mahomby, noho izany, dia mitondra fandraisan'anjara amin'ny lazan'i Brezila ho tanjaka maneran-tany vao misondrotra.

Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty

Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro. Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihina ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News dia mitatitra ny fijoroana vavolombelon'ny avy tao amin'ny tranom-paty izay milaza [ar] fa novonoina ny iray tamin'ireo olona maty ireo ary ny telo ambiny naratra mafy ny lohany. Nahatonga fahatezerana tanaty aterneto izany tranga mahatsiravina izany.

Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

  30 Jona 2013

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Nasiaka dia nasiaka ny antoko eo amin'ny fitondràna tamin'ny fomba fizaràna loka, raha toa ka nanaiky tanteraka izany ny mpampiasa aterineto.

Saodiana Mafana Fo Voampanga Hiditra An-tranomaizina Mandritra Ny Valo Taona

Abdulkareem al-Khadar, mpikambana mpamorona ny fikambanana miaro ny zon'olombelona mpanohitra ny Fanjakana, ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Politika Sy Sivily (ACPRA), dia notsaraina ary nosaziana valo taona am-ponja noho ny fanairany ny hevi-bahoaka sy ny fametrahany fikambanana miaro ny zon'olombelona tsy nahazo alàlana, ankaoatr'ireo fiampangana hafa, izay ny dimy taona dia nahantona sy tsy ampiharina raha toa tsy manatrika fivoriana na miditra anatinà fikambanana tsy ara-dalàna io mafana fo io aorian'ny famoahana azy.

Grenady Breziliana Hamelezana Tiorka

  28 Jona 2013

Ity lahatsoratra nosoratan'i Bruno Fonseca sy Natalia Viana, avy amin'i Agência Pública, ity dia nivoaka tamin'ny voalohany tamin'ny lohateny hoe “Bomba brasileira na pele turca” (grenady breziliana hamelezana ny Tiorka) , izy ity...

Hatezerana Naterak'Ilay Fanafihana Nihatra Tamin'Ireo Mpifindra Monina Tao Malezia

  27 Jona 2013

Toa mihanaka manerana ireo firenena rahavavy ilay herisetra ara-poko tao Myanmar. Misy amin'ireo Bodista Myanmar izay nifindra monina tao Malezia no voatafika tao anatin'izay herinandro maromaro lasa izay, heverin'ny olona maro fa mifandraika amin'ilay disadisa ara-poko sy ara-pivavahana misy ao Myanmar izany. Nahatezitra ny mponina maro ny fihetsiky ny governemanta Myanmar raha vao naheno izany.