Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jolay, 2021
Fibahanana fidirana : ny fatiantoka ara-tsosialy sy ara-toekarena ateraky ny fibahanana ny Twitter ao Nizerià
Noraisin'ny Filoha nizeriàna Buhari ho toy ny hetsika fankahalàna azy ny fanohanan'ny Twitter ireo hetsipanoherana #EndSARS tamin'ny 2020, sy ny namafàna ny bitsika nalefany,
Misaona ny fahafatesan'ny mpanoratra an-gazety iray i Georgia
Lesko no amantaran'ny mpiara-miasa aminy azy ao amin'ny TV Pirveli, hita faty tao an-tranony tamin'ny 11 jolay tao Tbilisi ny mpanoratra an-gazety sady cameraman Aleksandre Lashkarava, 37 taona.
Maraoka: Polisy noratrain'ny fianakavian'ny mpanjaka
(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008) Tranga roa no nampisokatra indray ny adihevitra mafana rehefa nangingina am-bolana maro ny tontolon'ny bilaogy maraokana. Ilay tranga vao haingana momba ilay bilaogera nogadraina Mohammed...
Noho ny tsindry avy amin'ny fanjakana, nikatom-baravarana ny Team 29, ilay vondrona malaza indrindra amin'ny fiarovana araka ny lalàna ao Rosia
Ny 19 Jolay, nanambara ny Team 29 fa hampiato ny asany mba hiarovany ny mpiasa ao aminy sy ireo mpanjifany tsy hiharan'ny mety ho fanenjehana ara-keloka.
Niteraka tsikera an-tserasera ny fikasan'ny tanàndehibe Shinoa handrara ireo olona tsy vita vaksiny hiditra ny toerana ho an'ny daholobe
Tanàndehibe Shinoa am-polony vitsivitsy no nametraka politika famerana mandrara ny olona tsy vita vaksiny hitsidika ny toerana ho an'ny daholobe, anisan'izany ny sekoly, ny hopitaly, ny fitateram-bahoaka ary tsenambarotra lehibe.
Hetsipanoherana sy ozona ary sarintsarim-pandevenana no nentina nankalaza ny tsingerintaona nahaterahan'ilay namolavola ny fanonganam-panjakana tao Myanmar
Ho an'ireo olompirenena ao Myanmar, ny 3 Jolay andro nahaterahan'ny jeneraly Min Aung Hlaing dia fotoana iray nanehoan-dry zareo ny hatezerany noho ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 1 Febroary sy ny valinkafatra feno rà nandriaka nataon'ny tafika tamin'ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana
Fidirana amin'ny fampiasa fandraketana an-tsarintany vaovao eny ankalamanjana any Okraina
Ahafahan'ny mpisera manivana ny toerana amin'ny alàlan'ny zava-misy misongadina ihany koa izany, toy ny hoe manao ahoana ny fidirana amin'ny toerana iray, misy trano fandroana azo idirana ve ilay izy, sa misy lisitra sakafo voatokana ho an'ny olona tsy mahita tsara, na afaka hanoloana zaza.
Miatrika fanadihadiana noho ny sarimihetsika fohy mampiseho ny herisetra nataon'ny polisy ireo mpanakanto sy mpikatroka Maleziana
"Natao hampanginana ny feontsika sy hanodinana ny tsindry ataon'ny vahoaka amin'ny trangam-pahafatesana any am-ponja tao anatin'ny volana vitsivitsy ireo fandrahonana atao amin'ny mpikatroka mafàna fo, mpanao gazety ary mpanakanto amin'izao fotoana."
Lasa fitaovam-piadiana hamelezana an'i Tigré ny fanolànana faobe mahatsiravina atao amin'ireo vehivavy mandritra ny ady ao Etiopia
Ny 4 Novambra 2020, nipoaka ny ady tao Tigré taorian'ny nipoiran'ny fihenjanana teo amin'ny TPFL sy ny governemanta federaly hatramin'ny nandraisan'i Abiy Ahmed ny fitondràna tamin'ny 2018.
Nitondra sento, fitsipahana didim-pitsarana farany mihatra tamin'ilay jiolahin'ady Ratko Mladic fa tsy nampikatona ny raharaha
Nirohotra niampanga ny fanapahan-kevitra ho porofon'ny tsi-fitiavana Serba ireo gazety mpanaitaitra Serba ary nanandratra an'i Mladic ho maherifo.