· Oktobra, 2009

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2009

Ginea: miaramila nijoro vavolombelona tamin'ny famonoana ny 28 septambra tao Conakry

  16 Oktobra 2009

Ity resadresaka teto ambany ity dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila Gineana iray nandray anjara tamin'ny famoretana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tany Conakry, any Ginea, tamin'ny 28 Septambra 2009. Noraisimpeo tamin'ny alalan'ny antso an-tsofindavitra ary navoakan'ilay mpanao gazety frantsay Olivier Rogez tao amin'ny Radio France Internationale tamin'ny voalohany Oktobra 2009, roa...

Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya

  14 Oktobra 2009

Nisy namono tamin'ny 7 Okt.2006 i Anna Politkovskay. Amin'ny Alarobia, hivondrona ireo olona any Moscou mba ho fahatsiaroana azy sy ireo mpanao gazety sy mafana fo hafa maty. Na izany aza, tsy dia faly loatra ireo mpitoraka blaogy sasany eo am-piresahana momba izany hetsika ho avy izany.

Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon

  11 Oktobra 2009

Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

  10 Oktobra 2009

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr