Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2012
Slovakia: Mamelona Adihevitra Ilay Fihaonambe “Mitady Fiainana Mendrika sy Azo Antoka”
Nanodidina ny 3000 ireo olona tafahaona “ho amin'ny zon’ny vahoaka mendrika” tao an-tananan’ny Partizanske, tamin'ny Septambra. Tamin’ity volana ity, ny 13 Oktobra kosa, olona nihoatra ny zato no tafahaona tahaka izany...
Meksika: Reny Amerikana Tafovoany Ampikarohana Ireo Mpifindra-monina Tsy Hita Ny Nalehany
Araka ny tarehimarika avy amin'ny Mesoamerican Migrant Movement [es], nandritra ny enin-taona farany teo, manodidina ny 70.000 eo ho eo ireo mpifindra monina [es] nanjavona tao Meksika. Nandritra ny taona maro, nivezivezy manerana an'i...
India: Mitohy ny Fifandirana Manodidina ilay Toby Nokleary Kudankulam
Tao anatin'ny hetsi-panoherana (jereo ny lahatsoratra Global Voices) no nanombohan'ny tetikasa Angovo Atomika ao Koodankulam, ao Tirunelveli, distrikan'ny firenena Indiana Atsimo,Tamil Nadu tamin'ny volana lasa teo. Nanomboka namokatra herinaratra ny orinasa saingy miharatsy hatrany...
Tandinonin-doza Ny Habaka Aterineto Zambian Watchdog
Tamin'ny 9 Mey 2012, tsy tafiditra tao amin'ny tranokala fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Zambian Watchdog avokoa ny mpiserasera. Nilaza ny ny Zambian Watchdog fa nokendren'ny Fanafihana Fandàvana Raharaha (DDoS), izay toa avy any amin'ny governemanta. Vao...
Torkia: Fahanginana Manoloana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Gadra Politika Kiorda
Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina intsony ireo gadra politika Kiorda an-jatony ao Torkia. Tsy mba notaterin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona izany hetsika tsy misy herisetra izany. Nilaza...
Malawi: Mpanao Gazety Amin'ny Aterineto Nosamborina Fa Hoe Nanompa Ny Filoha
Nosamborina tany Blantyre ny marainan'ny Alatsinainy 15 Oktobra, 2012 ny mpanao gazety Malaoita Justice Mponda nampangaina ho niteny ratsy ny Filoha, nanaparitaka vaovao tsy marina ary fanalam-baraka. Miasa ao amin'ny malawivoice.com Mponda. Taorian'ny nivoahan'ny E-bill vaovao, izay natao hifehezana sy hanaraha-maso ny serasera amin'ny aterineto any Malawi ny fisamborana azy.
Ejipta: Ireo Olona Tsy Manana ny Zom-pirenena ao Ejipta
Ireo olona tsy mizaka ny zom-pirenena Ejypta dia ireo olona tsy manana firenena niavina (tanindrazana). Araka ny filazan'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana (UNHCR), 12 tapitrisa mahery ireo olona tsy...
Torkia: Gadra Politika Kiorda An-jatony Mitokona Tsy Mihinan-Kanina
Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina intsony ireo gadra politika Kiorda an-jatony, manohitra ny fomba fitondran'i Torkia ireo gadra politika Kiorda. Tamin'ny alalan'ny hetsika nataon'izy ireo, nangataka ny hamerenana ny fitsarana...
Arabia Saodita: Miaka-peo ny Hetsika Vehivavy Hitondra Fiara Ary Miampanga ny Politikan'ny Governemanta
Saodiana mpiaro ny zon'ny vehivavy i Manal al-Sharaif, fantatra tsara amin'ny andraikitra iantsorohany amin'ny hetsika Women2Drive (VehivavyHanamory). Tamin'ny volana Mey 2011, nandrakitra lahatsary ahitana ny sariny izy, izay mihantsy sy manohitra...