Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2016
Matahotra ny Gambiana Fa “Mampidi-doza ny Fiainan'ny Olom-pirenena” Ny Filoha Jammeh Noho ny Fitsipahany Ny Voka-pifidianana
Tamin'ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra, nitsikera ny vaomieran'ny fifidianana i Jammeh ary nanolo-kevitra ny hanaovana fifidianana vaovao karakarain'ny olona "matahotra an'Andriamanitra".
Mampiseho ny Lanonana Fampihavanana ao Kolombia fa ny Vahoaka no Mametraka ny Fihavanana, Fa tsy ny Fifanekena
"Mila fihavanana izahay ary handeha hanangana izany. Milokaloka izahay fa hanangana fihavanana "
Ny Halafon'ny Fangejana ny Fitenenana ao Alzeria: Fiainana sy Fahafahana
Hanery ny governemanta alzeriana hanaiky ny halafon'ny fampanginana izay mitsikera azy ve izao, alohan'ny isian'ny famoizana na fahapoteham-piainana noho ny lahatsoratra kely amin'ny Facebook?
Miteraka Fanantenana Ho amin'ny Fanovana Amin'ny Androm-pirenena Ho an'ny Mpianatra Ireo Lehiben'ny Mpianatra
Nahatonga ahy tena mirehareha amin'ny maha-Iraniana sy nankafy ny herimpo, ny firehetam-po sy ny sorona nataon'ireo ao anatin'ny firenena ny sary sy ny kabary nitranga tao Iran tamin'ny herinandro lasa.
Manakoako Maneran-tany Ny Fanoheran'ny Amerindiana Ny Fantson-Drano Lehibe Ao Standing Rock
"Mahereza hatrany. Mahatanjaha. Ary manana havana mijoro miaraka aminareo ianareo manerana izao tontolo izao".
Ireo Lahatsary Fohy Notontosain'ireo Tovolahy Kambodziana Ho Fampitsaharana ny Sotasota Ara-nofo
Maninona no atsahatra ny sotasota ara-nofo? Tanora tsy matianina avy ao Kambodza amin'ny famokarana lahatsary no nitrandraka ny valin'io fanontaniana io mba handrisihana ny olona -- indrindra fa ny lehilahy -- hahatakatra ny fiantraikan'ny sotasota ara-nofo.
Lalàna Maha-be Adihevitra Any Bangladesy Manasongadina Ny Hasarotry Ny Fanambadian'ny Ankizy
" Mora foana ho an'ny fiarahamonina sivily ny mahita ny fanambadian'ny ankizy, fa jamba izy eo anolohan'ny antony mahatonga izany. Rehefa misy fampandrosoana ao amin'ny fiarahamonina, ..., hihena ny fanambadian'ny ankizy. Mila fotoana isika ho an'izany".
Sri Lanka : Lasa Ohatra Mahatsiravin'ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Ny Famonoana Ireo Tanora Roa
Ilay tranonkala fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena nahazo loka, Groundviews, tany Sri Lanka, no nivoahan'ity lahatsoratra nosoratan'i Raisa Wickrematunge ity voalohany. Nisy fanontàna nadika navoaka ito ambany ito ho ampahany amin'ny fifanekena fifampizaràna votoaty amin'ny Global Voices.
Rosia, Shina, ary ny Tosika Hisian'ny ‘Fiandrianana Nomerika’
Ny fiarahamiasa an-tseraseran'i Rosia sy Shina dia fampitambarana namboamboarina mampiseho laharam-pahamehana iraisana: ny fahamarinan-toeran'ny fitondrana .....
Mpikatroka Fampitam-baovao Syriana : ‘Tena Mampatahotra Sy Mampihorikoditra, Lasa Tanànadehiben'ny Horohoro i Aleppo’
Niteraka ny zanany faharoa vavikely tao anatin'ny fahirano nahafatesan'olona maro tao an-tanànan'izy ireo i Gnaid, mpikatroka iray ao amin'ny Foibe Fampitam-baovao Aleppo , sy ny vadiny.