Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2019

31 Oktobra 2019

Lazain'ny fitsarana Taiwaney ho tsy mahatapaka tamin'ny raharaha loza an-dranomazina ry zareo, mampiakatra ny raharaha ireo niharam-boina

Tamin'ny 14 Oktobra 2019, nesorin'ny Fitsaram-paritr'i Taipei ny fitoriana napetrak'ireo mpanjono Vietnamiana 8.000 tamin'ny Formosa Plastics Group ao Taiwan (FPG) noho ny loza an-dranomasina tamin'ny taona 2016 tany Vietnam. Nilaza ny fitsarana fa tsy manana fahefana hisahana an'io raharaha io izy ireo, saingy nampiakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ny mpisolovavan'ireo...

Filipina : miady mafy ny mba ho velona ireo toerana fampielezampeon'ny vondrom-piarahamonina na eo aza ireo fanafihana sy zava-tsarotra

Rising Voices

"Raha tsy afaka mampiasa ny haino aman-jery natao ho an'ny daholobe ireo voailika voahilikilika, dia tsy maintsy avela hanao izay handrenesana ny feony izy ireo"

Mbola any am-ponja ilay mpanao gazety Nizeriana Omoyele Sowore noho ny fiampangana namboamboarina tamin'ny famadihana tanindrazana sy ny fanevatevana ny filoham-pirenena

GV Mpisolovava

Mahita ny fitazonana mitohy an'i Omoyele Sowore sy ny fiampangana hanenjehana azy ho fanamelohana tsotra fotsiny ny mpanohitra ara-politika any Nizeria ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

25 Oktobra 2019

Tanora mpikatroka Tanzaniana manana vinam-panabeazana mampiaty

Nahita ny fanadihadiana vao haingana notontosain'ny HakiElimu, fikambanana Tanzaniana tsy mitady tombontsoa fa na dia any am-pianarana izay heverina ho "iarahan'ny rehetra" aza, dia mbola tsy namana kokoa ho an'ny mpianatra manan-kilema ara-pahitana ny tontolo fianarana. Vitsy ny sekoly misy ao Tanzania natokana indrindra ho an'ny olona manana kilema isan-karazany.

Mozambikana mpanora-gazety sy mpikatroka lasibatry ny fandrahonana amin'ny taom-pifidianana

GV Mpisolovava

Nandrakitra tranga maro izay ahazoan'ny mpanora-gazety sy mpikatroka fandrahonana sy fitsabahana amin'ny asany mifandraika amin'ny fifidianana ireo fikambanana mpandala ny zon'olombelona.

24 Oktobra 2019

Nanala ny ampahany tamin'ny fanapahana ny fifandraisana ao Kashmir i India, mbola tapaka kosa ny aterineto

Araka ny tatitra vao haingana, manohitra ny famoretana sy ny fanakatonana ny fifandraisana napetraky ny governemanta Foibe Indiana ny Kashmirita "amin'ny alalan'ny satyagraha na tsy fankatoavana sivily tsy misy herisetra".

22 Oktobra 2019

Mikasa ny hanakatona ny ONG mpiaro ny zon'olombelona ela niainana indrindra ao amin'ny firenena ny farany havanana ao Bolgaria

Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana nanomboka tamin'ny taona 2007, nivadika ho farany havanana i Bolgaria tamin'ny taona 2017 raha niara-dia niaraka tamin'ny fiaraha-mitantan'ny antoko nasionalista madinika ny antoko afovoany-havanana GERB an'ny Praiminisitra Borisov. 

21 Oktobra 2019

Ahoana ny nananganan'ny vondron'antoko mitondra ao Ethiopia boky fampiasana handisoam-baovao

GV Mpisolovava

Lasa tondrozotra ho an'ny vondrona mpanohitra hamelezana ireo mpifanandrina aminy sy ny governemanta ny taktikam-pikirakirana ifamelezan'ny mpikambana amin'ny ady anatiny.

18 Oktobra 2019

Mahafaty olona ny firotsahan'ny polisy an-tsehatra ao Ginea, mifikitra amin'ny fitondrana i Alpha Condé

Manao herisetra mahafaty olona ny polisy ao Ginea raha miezaka manova ny lalampanorenana ny filoha ao mba hifikirana eo amin'ny fahefana

16 Oktobra 2019

Manohy manafay ny vaovao antserasera ny governemanta Zimbaboe mba hifehezana ny fisantaran'andraikitry ny olom-pirenena

GV Mpisolovava

Nipoitra tamin'ny politika fanjanahana tamin'ny taonjato faha-20 ny fifehezana ny fampitam-baovao any Zimbaboe, izay feno fisolelahana tafahoatra tamin'ny fahefana politika. Nosokajian'ny governemanta Rhodeziana notarihan'i Ian Smith ho toy ny "fitaovam-piadiana nosafidiana ny propagandy sy ny fifehezana ny vaovao, mba tsy hanohanana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ihany fa mba hanasavoritahana vaovao...