Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2019

28 Febroary 2019

Hetsik'ireo Makedoniàna Mpampanofa Vatana Mba Hitakiana Ny Tsy Hiheverana izany ho Heloka Bevava, ho Fanefitry ny Herisetra

Nandritra ny Andro Iraisam-pirenena hanoherana ny herisetra atao amin'ireo mpampanofa vatana, nidina andalam-be ireo Makedoniana mpampanofa vatana mba hitaky fomba fiasa ara-drariny sy araka ny maha-olona.

Ejipta : Voaheloka ilay bilaogera Wael Abbas, raha mbola any am-ponja ny bilaogera iray hafa

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosaziana enim-bolana an-tranomaizina ary nandoa lamandy 500 livra Ejiptiana (mitovy amin’ny 80 euros eo ho eo) ilay bilaogera Ejipsiana fanta-daza Wael Abbas, taorian’ny fitoriana nataonà olom-pirenena Ejipsiana iray sy ny rahalahiny izay manampahefanan’ny polisy, niampanga azy ho nanimba ny...

26 Febroary 2019

Nofoanan'ny onjam-peo iray ao Rosia ny tafatafa nifanaovana tamin'ireo mpikatroka LGBT taorian'ny fandrahonana ny tonian-dahatsoratra

Akon'ny RuNet

Naharay fandrahonana ho an'ny vahininay sy ny tenanay manokana izahay omaly raha miroso amin'ny fandaharana resadresaka momba ny LGBT. Ka nofoanako ny fandaharana.

22 Febroary 2019

‘Tsy hitsahatra aho': Lehilahy Kazakh mikatsaka ny rariny ho an'ny fianakaviany raikitra ao Xinjiang any Shina noho ny famoretana

GV Mpisolovava

Milaza ireo manam-pahaizana ao amin'ny Firenena Mikambana fa olona an-tapitrisany maro no mety ho nampidirina ao amin'ny toby Shinoa "fiarenana indray" . Kanefa firy no maty tao anatin'izany toerana izany?

21 Febroary 2019

Bahrain: Miantso ny Fandroahana ireo Tia ny Mitovy Fananahana aminy ireo Solombavambahoaka

Mivoaka amin'ny fahanginana dia mivoaka ny firenena ihany koa? Entin'i Ayesha Saldanha amintsika ny fanehoankevitr'ireo bilaogera momba ny fiadian'ireo solombavambahoaka Bahrainita hametrahana lalàna iray vaovao hanakanana ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana ao an-toerana sy handroahana ireo vahiny mpila ravinahitra ka tia ny mitovy fananahana aminy.

20 Febroary 2019

Blaogera Ejiptiana Iray Misongadina Sy Mpikatroka Maromaro Hafa Voasambotra

[...] Ny famelezana farany nataon'ireo manampahefana ejiptiana dia nitondra nankany amin'ny famotehana ny fanohanan'ny vahoaka ny fitakian'ireo ejiptiana mpitsara mba hanana fahaleovantena tanteraka ny fahefam-pitsarana [...]

18 Febroary 2019

Na Tsy Betsaka Aza Ny Fampiasana Ny Aterineto, Sakanan'i Borondi Ny Viber Sy Ny WhatsApp

GV Mpisolovava

Latsaky ny 2% amin'ireo mponina miisa 10,2 tapitrisa ao Borondi no mampiasa Aterineto. Nefa nosakanan'ny governemanta ny Viber sy ny WhatsApp tamin'ity herinandro ity, tao anatin'ireo fihetsiketsehana.

17 Febroary 2019

Fanentanana #MetooUyghur mangataka amin'ny governemanta shinoa hanaporofo fa mbola velona ireo Xinjiang nofonjaina

Mampiasa ny farangonteny #MetooUyghur ny vondrom-piarahamonina Uyghur avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao hanontaniany ny fahasalaman'ireo olona tiany.

15 Febroary 2019

Taorian'ny Herintaona Nigadràna, Fanamelohana Ho Faty no Atahoran'ireo Iraniàna Mpiaro Tontolo Iainana

Niainga avy tamin'ireo fiaikenkeloka nataon'ny iray tamin'ireo efatra voampangay no nananganan'ny Mpampanoa Lalàna ny maro tamin'ireo raharaha anenjehana ilay vondrona.