Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2016
Tantaran'ny Fanenjehan'ny Governemanta ny Mpanao Gazety Gambiana Iray
Mialokaloka any Senegaly i Alaghie Jobe, mpanao gazety ao Gambia, matahotra izy fa mety hotadiavin'ny manampahefana Gambiana ao Senegaly. Miantso ny fanohanan'ireo fikambanana momba ny zon'olombelona sy ny asa fanaovan-gazety samihafa izy.
Fitsarana Any Maraoka: Nahemotra Indray Ny Fitsarana Ireo Mpiaro Ny Zon'Olombelona
Anisan'ireo voampanga i Hicham Khribchi na i Hisham Almiraat , dokotera mpitsabo sady mpikambana tranainy ato amin'ny Global Voices
Tian'ny Mpanelanelana Serbiana Ho Roahana Ny Lehiben'ny Mpitandro Filaminana Any Belgrade Noho Ny Fanohintohinany Ny Asan'ny Mpanao Gazety
“Nisy fampiasàna hery tsy ara-dalàna, nisy fandrahonana... Maro ny hadisoana vita,”
Amnesty International : “Tsy Entambarotra Ny Mpitsoaponenana”
Heverin'ny Amnesty International ho "tsy mataho-tody, lozabe ary fitondrantena tsy mendrika" ilay volavolam-pifanarahana ifanaovan'ny Fiombonambe Eoropeana sy Tiorkia. "Olombelona, fa tsy entambarotra" no resahana eto
Nodarohan'ny Polisy Nizeriana i Yomi Olomofe, Rehefa Niharan'ny Herisetra Tamin'ny Herintaona Satria Nanao Tatitra Kolikoly
"Ny lasibatry ny nokasain'ny sasany hovonoina no samborin'ny polisin'i Nizeria hanomezana vahana ireo mpanafika azy sy ny fadin-tseranana."
Nanangana Sendika Mahaleotena Vaovao Ny Rosiana Mpanao Gazety
Nanangana sendika ara-barotra mahaleotena voalohany ho fampiroboroboana ny firaisankinan'ny mitovy asa sy hanolorana fanohanana bebe kokoa ho an'ireo mpanangom-baovao miasa ao amin'ny firenena ny Rosiana mpanao gazety.
#WhereisBassel (Aiza i Bassel) : Mbola Tsy Hita Ilay Mpahay Teknolojia Syriana Nogadraina
Dimy volana izay, nanjavona tao amin'ny fonja ao Damaskosy, nigadrany nandritra ny efa-taona ilay Syriana mpikirakira tranokala, Bassel Khartabil: Miaraha amin'ireo mpanohana azy ary alefaso ny fanontaniana #WhereisBassel (Aiza i Bassel) ?
Mifampiraharaha Amin'i Eoropa i Tiorkia Mba Tsy Handraisany Mpitsoa-ponenana
"Ny ahiahin'i Eoropa tsy mandeha afa-tsy ny mankany amin'ny fiarovana ny sisintaniny any ivelany sy ny fitazonana ny olona ho ao anatin'i Tiorkia – tsy manome vintana ny olona marefo sy ireo ankizy mandositra ny ady sy ny fanaovana antsojay ireo izay mba hitady fialofana any Eoropa..."
Nahazo Fandresena Tamin'ny Fanoherana Ny Politikan'ny Fitondran-tena Ny #OccupyTheSquare Tao Sri Lanka
"Mahavariana ny mahita ny media sosialy afaka manintona olona am-polony mba hanao hetsi-panoherana mangina ho an'ny zon'olombelona."
Mahitsy Be Ilay Mpiasan'ny Firenena Mikambana Tamin'ny Fanombanany an'i Hongria
Nasongadin'ny Mpampaka-teny manokan'ny Firenena Mikambana, Michel Forst, ny toe-javatra mahakivy atrehan'ireo mpiaro zon'olombelona any Hongria rehefa vita ny fitsidihana sivy andro nataony.