· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2009

Indonezia: Fitarainana nidirana am-ponja

  31 Mey 2009

Adi-hevitra mamaivay eo amin'ny tontolom-bolongana Indoneziana amin'izao fotoana izao ny raharaha Prita Mulyasari, renim-pianakaviana mananjanaka roa. Nametraka taratasy fitarainana an-tserasera [id] nitory hopitaly mamahantena any Tangerang, iray amin'ny tanàna manodidina an'i Jakarta ny anao vavy, kanjo ankehitriny dia iharan'ny fiampangana nandìka ny lalàna toko faha-27 andininy faha- 3 amin'ny Lalàna...

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

  31 Mey 2009

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...

Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora

  27 Mey 2009

Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey. Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara....

Fiji: Fanehoan-kevitra manoloana ny fisamborana ireo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy

  26 Mey 2009

Notaterina teto amin'ny Global Voices vao tsy ela akory izay fa notazonin'ny polisy ireo solosaina findain'ireo olona telo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy ao amin'ny vohikala Raw Fiji News manohitra ny governemanta. Ireo mpanao lalàna telo, ankoatry ny maro hafa, dia notononina anarana vao haingana tao amin'ny vohikala Real Fiji News...

Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana

  21 Mey 2009

Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo, ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no fanombohan'ny fiverenana...

Lova navelan'i mpitarika ny indizeny Mama Tránsito

  20 Mey 2009

Misaona noho ny fahalasanan'ny iray amin'ny mpitarika eo amin'ny fokonolona, dia ny fahafatesan'i Rosa Elena Tránsito Amaguaña ny fokonolona indizeny, mpikatroka amin'ny fampanajana ny zon'olombelona, ary ny vahoaka Ekoateriana amin'ny ankapobeny. Amin'ny maha-“Mpanorina an'i Ekoatera Vaovao,”azy dia izy, miaraka amin'i Dolores Cacuango [es], fantatra amin'ny hoe Mama Dulu ary ilay...

Volavolan-dalàna vaovao hanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka amerikana any RDC

  20 Mey 2009

Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete. Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny...

Hong Kong: Donald Tsang, aza fady matesa!

  18 Mey 2009

Tezitra tamin'ny fanamarihan'i Donald Tsang Lehiben'ny mpanatanteraka niresaka momba ilay indray 4 jona nandritra ny kabary nataony teo anoloan'ny Mpanao lalàna tamin'ny herinandro (13 mey) ny olona. Hoy ny navaliny raha nanontaniana ny heviny manokana mikasika ny hetsika fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny 4 jona izy: I understand Hong Kong people’s...