Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2019

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2019

20 Aogositra 2019

Tsy afa-miditra fanabeazana ireo mpialokaloka ao Java Andrefana, Indonezia ka dia ry zareo ihany no nanangana ny sekoliny

Mety mandany taona maro tsy afa-mahazo ny satam-ponenana maharitra ny mpialokaloka ao Indonezia.

19 Aogositra 2019

Palestina: “Tsy fantatr'izy ireo hoe ho velona ve izy ireo”

Izany no nahatonga an'i Mohammad, monina ao Ramallah saingy avy any Gaza, nanomboka ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe "Mahazatra kokoa noho ny torimaso ny fahafatesana" Nandritra ny 17 andro, hatramin'ny nanombohan'ny fanafihana voalohany tao Gaza, nizara ny antson'ny fianakaviana ao amin'ny  KABOBfest i Mohammad mba hahafahan'izao tontolo izao mandre ny tantarany.

16 Aogositra 2019

Mifantoka amin'ny olan'ny fahasembanana ao Japana ny fifidianana

Voafidy tao amin'ny antenimieran'ny parlemantan'i Japana i Kimura Eiko sy Funago Yasuhiko, izay samy sembana mitondra seza misy kodiarana sy miankina amin'ny mpikarakara amin'ny fanatanterahana ny asa andavanandro

15 Aogositra 2019

Tanzaniana mpanora-baovao miatrika fiampangana foroporonina rehefa nalaina an-keriny sy nohazonina

GV Mpisolovava

Nanoratra tsikera amin'ny fitantanan-draharaha mamoritra entin'ny filoha tanzaniana John Magufuli ilay mpanora-baovao mahaleotena Erick Kabendera. Omaly ny manampahefana niampanga azy amin'ny heloka ara-toekarena, saingy nilaza ny mpitsikera fa fanoratam-baovao ihany no hany "helony".

13 Aogositra 2019

Navotsotry UAE ilay mpikatroka Osama al-Najjar rehefa nogadraina nandritra ny 5 taona raha tokony navotsotra 2 taona talohan'izao

GV Mpisolovava

Noafahan'ny manampahefana ao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra (UAE) ilay mpikatroka sady gadra politika Osama al-Najjar taorian'ny nanagadrana azy nandritra ny dimy taona mahery.

12 Aogositra 2019

Nitarika herisetra ny tsahon'ny fanaovana “sorona olombelona” ho an'ny tetezana Padma tany Bangladesh

Valo no olona notanana manerana an'i Bangladesh noho ny fanelezana ny tsaho tao amin'ny Facebook nilaza fa 'mila lohan'olombelona sy ra hatao sorona ho an'ny tsangan'ny tetezana Padma' .

09 Aogositra 2019

Tokony hampody ny fianakavian'ireo olona nampiasain'ny ISIS ve i Trinite sy Tobago?

Trinite sy Tobago no nahitana isan'ny mpiadin'ny ISIS betsaka tany amin'ny ilabolantany andrefana. Tsy maintsy manapa-kevitra ankehitriny ny firenena raha hampody ireo niankina tamin'ny mpiadin'ny ISIS ireo na tsia.

06 Aogositra 2019

Sokajian'i Mozambika ho heloka bevava ny fampanambadiana ankizy

Araka ny voalazan'ny fanadihadiana iray, i Mozambika no firenena faha 11 erantany manana taha ambony be amin'ny fampanambadiana ankizy.

Etazonia: Ho esorina tsy ho ela ny fandraràna ny fivahinianan'ireo mitondra ny tsimokaretina VIH ?

Ny herinandro lasa teo, natomboky ny governemanta amerikàna ireo dingana farany ilaina amin'ny fanesorana ireo fepetra naharitra ela momba ireo fivezivezena sy fifindramonina neterena ho arahan'ireo vahiny mitondra ny tsimokaretina VIH

Nahazo alàlana hitifitra raha vao mahita ireo miaramila gineàna

Ao anatin'ny olona politika misy azy, hahazo lalàna iray mety hanaratsy kokoa ny herisetran'ny polisy ve i Ginea?