Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2019
Ao India, lahatsary iray mitondra fanairana ny amin'ireo ankizy mararin'ny donika
Nahatonga ny fitsaboana ny ankizy ny lahatsary iray mitatitra ny fielezan'ny donika ao amin'ny sekoly fanabeazana fototra iray ao Uttar Pradesh.
Diplaomaty Toniziana teo aloha voasazy nosazian'ny fitsarana Frantsay higadra 8 taona an-tranomaizina
Voampanga ho nanome baiko hanao hetsika fampijaliana sy habibiana tamina vehivavy mpiray tanindrazany aminy antsoina hoe Zulaikha Gharbi i Ben Said fony izy mbola lehiben'ny polisy tao an-tanànan'i Jendouba, Tonizia, 12 taona lasa izay, kaonsily lefitra teo aloha tao Strasbourg io voatonona farany io.
Filipina: Nolavin'ny sampana misahana ny fifidianana ny firotsahan'ny vondrona LGBT hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana
Ho fampiroboroboana ny fifandraisan'ny mitovy taovam-pananahana izay mifanohitra amin'ny finoana ara-pivavahana, nolavin'ny Commission on Elections-Vaomieran'ny Fifidianana (Comelec) ny fangatahan'ny vondrona pelaka Ang Ladlad ho ankatoavina ho antoko afaka mirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2010.
Jordania: Natsangana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao nasiam-panovana
Nankatoavin'ny governemanta Jordaniana tamin'ny 29 Aogositra ny volavolan-dalàna farany amin'ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao (Lalàna mifehy ny heloka atserasera) rehefa avy nanitsy ampahany maromaro tamin'ny lalàna izay niteraka adihevitra sy tsikera avy amin'ireo mpikatroka zon'olombelona sy ireo mpikatroka media.
Luis Carlos Díaz, Mpanao Gazety Sady Mpiaro Ny Zon'olombelona Notazonin'ny Hery Fiarovam-panjakana Ao Venezoelà
Taorian'ireo ora maro nanginan'ireo manampahefana, voamarina fa nosamborin'ny Sampam-pitsikilovana avy amin'ny polisy Bolivariàna(SEBIN) i Díaz.
Mbola tazonina hatrany ilay Emirati mpikatroka na dia efa roa taona aza izay no nahavitany ny saziny
Nosamborina noho ny antso hanafahana ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Emirà i Al-Najjar.
Singapaoro: Fanentanana ‘Tsy mila fanolanana’
Ao Singapaoro, tsy raisina toy ny fanolanana ny fanolanana ny vadinao. Nefa tokony ho fanolanana izany.
Jordania: “Mampody an'i Raad” avy any Syria
Natsangana amin'ny aterineto ny hetsika hanerena ny manampahefana Syriana hamotsotra ilay Jordaniana Raad Kawar, izay nogadraina nanomboka ny 19 Aprily.
‘Tsy raboto izahay!’ Fihetsiketsehana ao Berlin manohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eoropeana momba ny sivana amin'ny fampidirana votoaty antserasera
Olona 5.000 teo ho eo no nivory tao Berlin tamin'ny 2 martsa mba hanohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eorpeana mifehy ny zon'ny mpamorona izay mety hanova tanteraka ny fahavitrihana amin'ny fandefasana sy fizarana votoaty an-tserasera.
Mampiaka-peo manohitra ny volavolan-dalàna momba ny heloka an-tserasera ao Iràka ireo mpikatroka
Manome sazy an-tranomaizina lava ilay volavolan-dalàna, anisan'izany ny famonjàna an-tranomaizina mandrapaha-faty noho ny lahateny manohintohina.