Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2020
Noely COVID : Tena tsy nisy toa azy tokoa va re?
Ho an'ny tontolo sy ny finoantsika, tsy toy ireo hafa rehetra efa nahazatra hatrizay ihany ve ity Noely—nangirifiry, indraindray maharikoriko, indraindray mahafaty?
Na inon-kidona, na inon-kihatra, isisihan'i Alpha Condé ny tsy maintsy hahazoana fepotoam-piasàna fanintelony
Nahavita naka fepotoam-pitondrana fanintelony indray ny filoha gineàna Alpha Condé rehefa nanao an-tery ny fanitsiana lalampanorenana, fandresena azony tamin'ny fifidianana nokianin'ny mpanohitra sy ireo fikambanana iraisampirenena mafy tokoa
Latsaka anelanelan'ny fanomezamboninahitra sy hatezerana, miatrika ny fitomboan'ny fakàna an-kery amoizana aina ry zareo Haitiàna
"Niharamboina iray nahafeno ny kapoaka. Ranomaso nahatondraka ny ony. mpanao heloka miriaria anatin'ny voary. Fanadihadian'ny pôlisy tsy tonga volana."
‘Atsaharo ny fampanginana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana ao AAAA,’ hoy ny mpikatroka tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Twitter sy Facebook
Folo taona taorian'ny fitroarana niankina be dia be tamin'ny media sosialy hanesorana ireo mpanao didijadona manerana ny faritra, melohin'ny mpandala ny zon'olombelona ny fanilikilihan'ireo sehatra ny feo manivaka mbola mitolona hisian'ny fahafahana.
Median'i Filipina miatrika ‘fandrahonana fanasaziana tsy ankitsahatra’ aorian'ny fiampangana fanendrikendrehana an'habaka
"Rehefa tsy afa-mihazona ny fahefana ho tompon'andraikitra isika dia tsy ho afa-manao na inona na inona," hoy ny Filoha Tale Jeneralin'ny Rappler Maria Ressa taorian'ny fanamelohana azy.
Navoaka ny fonja Iraniana tamin'ny fifanoloana voafonja i Kylie Moore-Gilbert, akademika Aostraliana
Tonga ny fotoana ho an'ireo mpiara-dia demaokratika - ireo tompon'andraikitra governemanta rehetra - hiarahana miasa hamaranana amin'izay fanohanan'ny fanjakana ara-bola ny fanaovana takalon'aina.
Governemanta afrikana fito no mampiasa rindram-pitsikilovana, hoy ny fanadihadiana vaovao
Mampiasa teknolojiam-pitsikilovana avy amin'ny Circles, orinasa iray mivondrona ao amin'ny NSO avy ao Israely, ny governemanta amin'ny firenena miisa fito avy eto Afrika -- Botswana, Ginea Ekoatorialy, Kenya, Maraoka, Nizeria, Zambia, ary Zimbabwe -- araka ny nataon'ny Citizen Lab.
Etazonia any Syria: Inona no antenaina amin'ny fitondrana vaovao?
Ny fijerena ny maha-olombelona no tena tsy itovian'ireo fitantanana roa tao Etazonia momba ny ady any Siria, i Washington mitolona manao izay tsy hitaran'ny loza mitatao ateraky ny asa fampihorohoroana sy ny dindon'i Rosia any amin'ny faritra iray iankinan'ny ain-dehibe.
Pakistàna : vehivavy mikarakara hetsika nasiônaly ho setrin'ilay fanolànana nahavaky fo
Nomarihan' ireo vehivavy nikarakara ny hetsipanoherana ny fandàvan-dry zareo ny fanantonana imasombahoaka, izay antso iray miverimberina ao Pakistàna isaky ny lasa lohateny vaventy anaty gazety ny tranga fanolanana
Miara-manao diabe ho an'ny fitovian-jo ireo mpikatroka LGBTQ Thailandey sy ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia
Any Bangkok, nanatevin-daharana ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia ny mpikatroka LGBTQ hitaky ny fitovian-jo ho miralenta sy ny fanambadiana ary ny fanavaozana politika amin'ny fitondram-panjaka.