Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2022
Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina
Hatramin'ny nakàn'ireo Talibàna azy tamin'ny Aogositra 2021, nikasa ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana, ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany.
Inona no tena miavaka amin'ilay hira mandatsa-dranomaso ‘Pir’ izay niteraka adihevitra nasionaly tany Nepal?
Novaina sy naverina navoaka indray taorian'ny adihevitra mafana ny hira Nepaley iray ao amin'ny YouTube, mampiseho ny fahorian'ireo mpiasa ambony Maoista izay nanohana sy niady tamin'ny fikomiana naharitra folo taona tao Nepal.
Pakistàna: Very toerana 12 tao anatin'ny Fandaharana Erantany 2022 momba ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Tatitra iray avy amin'ny fikambanana pakistaney mpiaro zo "Freedom Network" no nampahafantatra fa iharan'ny herisetra, fanenjehana ara-pitsaràna, fakàna an-kery, fitazonana am-ponja ary fandrahonana ireo mpanao gazety any an-toerana, indrindra fa avy amin'ireo mpisehatra ao anatin'ny fitondrana.
Famonjàna ankizy : nahoana ireo olon-dehibe Salvadoriana no tsy miraharaha an'ireo tanora voarohirohy anaty asan-jiolahy
Fotoana izao hanovàna ny fomba fijerintsika an'ireo ankizy taiditra anaty andian-jiolahy.
Nifamahofaho ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety tao Karaiba
'Miha-mampidi-doza hatrany ny tontolo iasan'ireo mpanao gazety ao Karaiba'
Mbola mitohy mamely an'i Papouasie-Nouvelle-Guinée ny herisetra mifandraika amin'ny fiampangana famosaviana
Tsy nisy asa soratra ara-pianara-mahaolona (antrôpôlôjia) nahitako firesahana zava-mampihoron-koditra toy izany. Tsy anisan'ny razamben'ny PNG izany satria fiarahamonina tia miahy kokoa isika.
Mpanoratra Malayziana iray miatrika fanadihadiana noho ny fanevatevana tao amin'ny ranty Facebook
"Manasongadina ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Malezia momba ny olana toy ny fivavahana ny fisamborana an'i Uthaya Sankar SB noho ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy."
Manohana an'i Okraina sy ny vahoaka Okrainiana i Sarajevo
Naneho fangorahana tamin'ireo vahoaka mijaly ao Okraina ny Bosniaka, mifototra amin'ny fahatsiarovany ny fijaliany manokana nandritra ny ady tamin'ny taona 1990, anisan'izany ny fahirano an'i Sarajevo naharitra 3 taona.