Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2020
Noho ny fisian'ny fifandonana Nagorno-Karabakh, tapatapahan'ny manampahefana ao Azerbaijàna ny aterineto manerana ny firenena
Tapatapaka ny fidirana aterineto nanomboka tamin'ny nipoahan'ny fifandonana tamin'ny 27 Septambra
Taorian'ny firaketana an-tsoratra momba ny fakàna tany tao anatin'ny toerana natao ho azy ireo, 18 ireo tompontany mpitarika sy mainty hoditra naiditra am-ponja ao Nikaragoà
Nanomboka tamin'ny 2015, ireo Kriol sy Rama nampiana-tena ho mpiambina ala no manara-maso ny fandripahana ala sy fakàna an-kery ny tany ao anatin'ilay valanjavaboary biolojika.
Fotoana izao hanesorana an'i Sodàna tsy ho anatin'ny lisitr'i Etazonia manondro ireo firenena mpampihorohoro
Tamin'ny 1993 i Sodàna no tafiditra tao anatin'ilay SST, lisitr'i Etazonia ahitàna ireo firenena mpanohana ny asa fampihorohoroana, saingy tsy misy na iray aza amin'ireo antony naroso tamin'izany fotoana izany no mbola mitombina ankehitriny. Fotoana izao tokony hanesorana azy tsy ho ao anatin'ilay lisitra SST intsony
Fihetsiketseham-panoherana tarihin'ny tanora ao Thailandy mahazo fanohanana avy amin'ny olom-pirenena mitaky ‘demaokrasia tena izy’
"Fotoana izao ilaina ny fanovana. Amin'izao fotoana izao, tsorina, tsy ho tonga eto noho ny hoavinay izahay, fa ho an'ny hoavin'ny zanakay."
Tariky ny Al Jazeera Balkàna, voatafika nandritra ny hetsipanoheran'ny antoko avy amin'ny elatra havanana tao Skopje
Tsy nanaiky ilay ramatoa mpanao gazety niharan'ny herisetra fa nitory teny amin'ny pôlisy ary naka toerana hanohitra ny kolontsain'ny tsimatimanota
Ho tonga any Hong Kong ve ny rafitra fanaraha-maso ny COVID-19 izay misy kaody miloko napetraka tany Shina
Raha mbola mampiady hevitra ny fampiharana ny fitaovana toy izany any Hong Kong dia niroso amin'ny fanaovana ny fitiliana ho an'ny rehetra amin'ireo mponina miisa 7,5 tapitrisa miaraka amin'ny fanampian'i Beijing ny tanandehibe.
Naaton'ilay tanàna shinoa ny ‘lalànan'ny fahaiza-miaina’ taorian'ny tsikera anjotra
Namoaka ny "kaodin'ny fahaiza-miaina" i Suzhou – tanàna shinoa iray akaikin'i Shanghai – tamin'ny fanombohan'ny volana septambra handaharana (hanasokajiana) ny fahaiza-miainan'ny olompirenena. Nampitsahatra ny fanandramana ny tanàna rehetra tondraka ny fanehoan-kevitra miiba.
(2009) Topimaso momba ny Vovonan'i Amerika
Raha efa akaiky ny fanokafana ny Vovonan'i Amerika Fahadimy ahitana mpitondra miisa 34 avy amin'ny Ila Bolantany Andrefana hiara-midinika ny olana mifandraika amin'ny fanambinan'ny olombelona, ny tontolo iainana lovainjafy ary ny fiarovana ny angovo, ary mazava ho azy ny krizy ara-bola manerantany dia nanohy nanara-maso akaiky ny fivoaran'izany ireo bilaogeran'ny renim-paritra.
Fitroarana Sodana: sit-in ao Nertati, ny onja vaovao
Tamin'ny 28 jona, nivory nanao sit-in ny olom-pirenena izay mbola mitohy mandraka androany mitaky zava-dehibe maro: famaranana hatreo ny fanafihan'ny milisy ny sivily, fanesorana ny fitaovam-piadiana, fisamborana ireo nahavanon-doza ary fiarovana ara-pambolena mandritra ny fotoam-piotazana [fijinjana].
Brezila: naborak'ireo mpanohitra ny fanalàna zaza ho hita an-tambajotra ny momba ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolànana
Manodidina ny enina isanandro ny fanalàna zaza voarakitra ao Brezila, ho an'ireo ankizivavy eo anelanelan'ny 10 sy 14 taona, nitondra vohoka taorian'ny fanolanana