Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2010
Sina: Resaky ny samy mpanivana aterineto

Dikasary iray mitovy amin'ny fàfan'ny solosaina maneho ny resaky ny vondrona QQ mpanivana aterineto no nivezivezy tanaty Twitter. Izy ity dia manampy ny olona aty ivelany hahatsapa ny fomba fiasa...
Sina: Endrika marobe isehoan'ny fanivànana aterineto

Ny 12 Martsa no Andro manerantany Hiadiana amin'ny Sivana amin'ny Aterineto ka namoaka ny lisitra farany avy aminy “Ireo fahavalon'ny Aterineto” ny Reporter without Border [Reporters sans frontières] izay manondro...
Iran: Mitohy ny fisamborana mpitoraka blaogy hafa
Fitohitohizana fisamborana mpitoraka blaogy hafa indray no notaterina tany Iran nefa tsy dia mazava loatra ny antsipiriany. Samy nosamborina na ny mpitarika vondrona iray manohatra sivana, antsoina hoe Iran Proxy, na ny mpanangana ny fampiantranoana blaogy Persiana.
Dubai: Fahatsiarovana ny mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi
Teo amin'ny tanora 40 avy any amin'ny tendron-tany efatra no niaraka tao amina "cafe" iray any Dubai ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny nahafatesan'ilay mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi, mpitoraka blaogy voalohany maty tany am-ponja. Nandray anjara tamin'ny alalana zava-kanto teny amin'ny kianjan'ny Hetsika 18 Marsa, OR318, ihany koa io fihaonana io.
Madagasikara: Hiatrika sazy ny mpitondra herintaona aty aoriana
Eo ampanatonan'ny fitsingerenan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 17 marsa 2009 teto Madagasikara, iny dia efa mananontanona ihany koa ny fanasaziana hampiharina amin'ny olona tsirairay amin'ireo mpitondra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao noho...
Hiaro ny zon'ireo fahavalonao ara-politika ve ianao? (momba ny sivana Alzeriana)

Ho lahatsoratro voalohany eto amin'ny Global Voices Advocacy, te-hametraka adihevitra aho mikasika olana iray nitambesatra ela tamiko hatramin'ny nivoahan'ny vaovao milaza voalohany ny fahatapahan'ny vohikala politika teto Alzeria. Izany hoe,...
Malezia: Vehivavy 3 nokapohina fa nanao firaisana tsy ara-dalàna
Vehivavy tsy manambady telo, 17-25 taona, no nomasahina tamin'ny volana lasa noho ny didy navoakan'ny fitsarana Shariah tao Kuala Lumpur, Malezia rehefa voaheloka ho “nanao firaisana ivelan'ny mariazy.” Ireo no...
Philippines: “Fifanaraham-panambadiana azo havaozina”
Vondrona politika iray ao Philippines no maniry hampiditra volavolan-dalàna mametraka ny fetram-pifanaraham-panambadiana iray ho manankery mandritry ny folo taona. Araka ny nanampoizana azy dia niteraka fanehoan-kevitra mivaivay eo anivon'ny fitorahana blaogy ity tolo-dalàna tokana an-tany ity.