Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2018
Mametraka “Tsangambato” ho an'ireo Fanafody Fampitoniana Ao Skopje ireo Mpanakanto Tsy Mitonona Anarana
Nisy sary sokitra hafakely nipoitra tao Skopje, renivohitr'i Masedonia, ny 9 martsa: tsangambato ho an'ilay fanafody fampitoniana, Diazepam (fantatra ihany koa amin'ny anarany hoe Valium).
Shina: Lasa Malaza Be Ny Pandaman vs. Christian “Batman” Bale
Nahatonga andian-tsary maneso maro ireo fifandirana vao haingana nisy teo amin'i Christian Bale sy ny polisin'ny filaminam-pirenena (antsoina koa hoe "Pandas") ary mifanojo amin'ny fanambarana hoe naverina am-ponja ny shinoa mpanohitra iray hafa, 20 volana taorian'ny ''namotsorana'' azy teo ambanin'ny fitsapana azy.
Bahrain: Manonofy Bahrain Tsara kokoa ireo Mpampiasa Twitter
Ny Sabotsy maraina teo, nisy tenifototra vaovao nipoitra tao amin'ny tontolon'ny Twitter tao Bahrain ary mpampiasa Twitter maro no naneho ny fanantenany, ny nofinofiny ary nanazava ny fangatahany tamin'ny alàlan'ny #IdreamofaBH.
Mitombo Indray ny Gazety Voarara sy ny Raharaha Khatami any Etazonia
Mihabetsaka ireo gazety sy gazetiboky nakaton'ny Kaomisiôn'ny Famelàna sy Fanaraha-maso ny Asa Fanaovangazety - sampan'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny "Islamic Guidance" - tahaka ny gazety mpivoaka isan'andro, Shargh, sy ny mpivoaka isam-bolana, Nameh ary ny Hafez.
Fijoroana Kiorda: Akon'ny herisetra, ny maha-izy sy ny taombaovao
Inona no mahatonga ny vahoaka ho vahoaka? Inona no mamaritra ny vondrona iray: feo iraisana, tantara iraisana, kolontsaina, milina fibilaogina? Tahaka ny Iraniana, mankalaza ny Taombaovao na Newroz isaky ny volana Martsa ny Kiorda.
Tantara antserasera momba ny fialan'ireo Venezoeliana ny fireneny
Azo arahana amin'ny alalan'ny tantara sy toro-hevitra avy amin'ireo izay efa nandao ny firenena ny fahasoratana amin'ny fialàna ao Venezoela mankany amin'ny firenen-kafa.
Vondrona milisy mamono tantsaha ao amin'ny toeram-pambolena fary ao Filipina, hoy ny iraka mpanamarina ny zavanisy
Ny fandripahana tao "Sagay 9" no fanafihana iray nahafatesana tantsaha mpikatroka betsaka indrindra nandritra ny fitantanan'i Rodrigo Duterte.
Rosia: Ireo Mpifidy Tsy Legioma ary Vaovao Hafa Mikasika Ny Fifidianana
Roa herinandroa sisa mialoha ny fifidianana Rosiana Duma; ary tsy dia lavitra ihany koa ny fifidianana ny ho filoham-pirenena. Hitanao etsy ambany ny topimaso maimaika iray amin'ny fandrakofana ny fifidianana avy amin'ny tontolon'ny blaogy.
India : Didim-Pitsaràna Iray Manafoana Ny Fanamelohana Ny Fiarahan'ny Mitovy Fananahana
Fanavakavahana ny fiheverana fa heloka bevava ny firaisana ara-nofo ifanarahan'ny mitovy fananahana, hoy ny didy navoakan'ny fitsarana avon'i Delhi, ka noho izany dia fanitsakitsahana ny zo fototra arovan'ny lalàm-panorenana any India.
Japana: Noana Ao Amin'ny Tany Tondra-dronono
Nanainga ny blaogera japoney maro hieritreritra mikasika ny fiantraikan'ny politikan'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny fireneny ny tantara vao haingana mikasika ny lehilahy iray matin'ny hanoanana [Ja] noho ny tsy nahazoany ny fanampiana ara-tsosialy, izay lasa nalaza noho ny niraketany tao anaty diary ny andro farany niainany. Vakio ato ny sasany amin'ny hevitr'izy ireo mikasika izany olana izany.