Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2014
GV Face: Mandositra Ady Ireo Mpitady Fialokalofana Mba Hiatrika Ny Herisetra Politika Ao Eoropa Sy Aostralia

Araka ny filazan'ny UNHCR, 612.700 ny isan'ireo nangataka fialokalofana tao Amerika Avaratra, Eoropa, Azia Atsinanana sy Pasifika tamin'ny taon-dasa - tarehimarika ambony indrindra hatramin'ny taona 2001.
Mitokona Noho Ny Zava-doza Tao Ayotzinapa Ireo Meksikana Mpianatry ny Anjerimanontolo
"Velona ry zareo no nalaina, Velona izy ireo no tianay hita miverina!" Maneho ny firaisankinany ho fitakiana ireo mpianatra nanjavona tao Ayotzinapa, Guerrero, ary tsy mbola nahitam-bahaolana, ny vondrom-piarahamonin'ireo mpianatra ao Meksika
Tsy Nampitony Ireo Haisiana ny Fahafatesan'i “Baby Doc”
Tsy nizaka ny heloka vitany fahavelona avokoa ireo mpanao didijadona Jean-Claude sy Francois Duvalier; mbola tandroka mamely ny Haitiana maro ihany ny tsy nampiharana ny rariny (fitsarana).
Vonona Handany Ny Lalàna Miady Amin'ny Pelaka i Kyrgyzstan
Nandany ny lalàna manasazy ireo izay maneho "fihetsika mankatò ny fiarahana ara-nofo tsy nentim-paharazana" ny mpanao lalàna ao Kyrgyzstan tamin'ny 15 Oktobra. Nandritra ny fandinihana voalohany ny volavolan-dalàna, solombavambahoaka 79 no nankatò ny volavolan-dalàna, ary fito monja no nitsipaka izany.
GV Face: Resadresaka Miaraka Amin'ilay Mpikatroka Tsy Tian'i Bahrain Hifampiresaka Amintsika

Miditra amin'ny taona fahatelo amin'ny fangejany ny fitroaram-bahoaka i Bahrain.
Mahatsiaro An'i Mahsa Shekarloo, Nitondra Voalohany Ny Aterineto Tany Irana Ary Mpitaky Ireo Zon'ny Vehivavy

Maty ny 5 Septambra 2014, nodidinin'ireo fianakaviany, i Mahsa Shekarloo, mpikatroka mafana fo miaro ireo zon'ny vehivavy Iraniana ary mpanorona ny Bad Jens, gazety hita ety anaty aterineto miaro ny vehivavy. Manome voninahitra ny fiainany isika ato amin'ity lahatsoratra ity.
Mitady Kamiao Tafondron-drano Roa Hovidiana Ny Polisy Kambojiana Hanoherana Fihetsiketsehana
Miahiahy ireo mpikatroka ny zon'olombelona fa hampiasaina hamoretana ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fanaovana akanjo ireo kamiao mpitondra tafondron-drano itadiavana tolo-bidy ao Kambodza.
Olon-tsotra Mpampita Vaovao Nisy Naka An-Keriny sy Namono tao Meksika Fa Nitatitra Fikambanan-Jiolahy

I María del Rosario Fuentes Rubio dia nanolo-tena ho mpandray anjara tao amin'ny Valor por Tamaulipas (Herimpo ho an'i Tamaulipas), sehatry ny olon-tsotra iray fampitam-baovao mamela ny mpiserasera hanao tatitra, tsy manonona ny anarany, amin'izay herisetra hitany.
Diarim-Piainana ao Amponja Etiopiana: Fijoroana Vavolombelon'i Befeqadu Hailu

Fijoroana vavolombelona avy amin'i Befeqadu Hailu, iray amin'ireo mpikambana 4 ato amin'ny Global Voices izay migadra ao Etiopia amin'izao fotoana izao.
Mitaky Famerenana Milamina Ireo Mpianatra Natao “Sambo-belona” Ny Meksikana
Olona an'arivony ao Mexico no nanao fihetsiketsehana noho ny fanjavonan'ireo mpianatry Ayotzinapa am-polony tao amin'ny firenena morontsirak'i Guerrero tamin'ny Alarobia 8 Oktobra.