Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2010
Egipta: Nofoanan'ny Fitsaràna ny sazin'ilay mpitoraka blaogy Wael Abbas

Noafahan'ny fitsaràna Egiptiana ilay mpitoraka blaogy Wael Abbas rehefa nahazo sazy enim-bolana avy amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany. Tamin'ny volana Novambra no navoaka ny didim-pitsarana taorian'ny tsy fifanarahana nisy teo amin'i...
Sri Lanka: Sivana sy ny tena fanontaniana
Sanjana Hattotuwa ao amin'ny bolongana ICT for Peacebuilding (ICT4Peace) no mamelabelatra momba ny baikon'ny filoha “hampiato ny vinavina napetraky ny mpandrindra Sri Lankey momba ny fifandraisandavitra hanivana ny vohikala manohitra...
Iran: Miorina ny Cyber-tafika Islamika
Matetika ny aterineto no lazaina ho sehatra ifampiresahana sy ifanakalozan-kevitra amim-pilaminana, saingy rehefa any Iran kosa, nivadika ho lasa karazana “ady an-tserasera” ny fifandirana ara-politika hany ka izay hary fitaovana...
Hoy ny mpamahambolongana Amerikana momba ny fangalaran-jaza kamboty Haisiana
Raha eo andalam-panarenana sy fanorenana i Haiti, dia misy indray ny fanahiana ny mikasika ny kilonga indrindra moa fa ny kamboty. Efa maro ny tatitra momba fitadiavan'ireo mpanondran-jaza mitady kilonga...
My name is Khan – Politikan-kolontsaina any India
Sarin'afisy hita ao amin'ny Wikipedia Tsy miresaka momba ilay sarimihetsika avoakan'i Bollywood hoe ‘My Name is Khan‘ [Khan no anarako], fa miresaka ny fahazoana azy kosa any India sy any...
Iran: tsy nisy hora-pandresena ho an'ny hetsi-panoherana maitso nandritra ny fetin'ny revolisiona
Nanomana fihetsiketsehana ny mpanohitra avy ao amin'ny Hetsika Maitso tamin'ny tanàna maro manerana an'i Iran nandritra ny fankalazana ny revolisiona Iraniana tamin'ny 11 febroary saingy Tsy nahavory olona maro tahaka ny...
Egipta: Ny zo hiteny
Nanao famelabelaran-kevitra ireo mpitoraka blaogy sy mafana fo Egiptiana tamin'ny 22 Janoary mba hiarovana ny zon'izy ireo miteny taorian'ny nisamborana mpitoraka blaogy 20 mahery raha tonga tao amin'ny tanànan'ny Naga Hammady, izay nisian'ny famonoana ireo Coptic, ny fiarandàlamby nitondra azy ireo. Mitaitra ny hevitr'izy ireo momba ny fitànana azy ireo i Marwa Rakha ato amin'ity lahatsoratra ity.
Syria: mbola any amponja ny mpanao gazety Maen Akel
Maen Akel, mpanao gazety Syriana iray , voasambotra ny 11 Novambra 2009 ary ny sampam-pitsikilovana Syriana no nanao izany tany Damas. 48 ora latsaka taorian'ny fisamborana azy dia voaroaka tamin'ny asany tao amin'nygazetim-panjakana iray, Al-Thawra ihany koa izy. Mbola tsy fantatra ny tena antony nisamborana azy.
Iran: Mpitoraka blaogy roa ahiana hovonoina ho faty
Any ambadiky ny "barreaux" noho ny fanamelohana mavesatra ireo mpitoraka blaogy Iraniana roa, izay mpiaro koa ny zon'olombelona. Mehrdad Rahimi sy Kouhyar Goudarzi dia voaheloka ho niantsy “ady tamin'Andriamanitra,” ary voatondro ho “Mohareb” (fahavalon'Andriamanitra). Mitovy ny nanamelohana ireo lehilahy roa novonoina tany Tehran tamin'ity herinandro ity ny nanamelohana azy ireo.
Arabia Saodita: Niverin-dalana ny fitsaboana ny SIDA
Nanambara ny fikasany hanakatona hopitaly manolo-tena iray any amin'ny Jeddah’s King Saud izay fantatra amin'ny fivatsiany fanafody, amin'ny fitaizana ara-tsaina ary ny fitazomana ny mombamomba ireo voan'ny SIDA ho tsy ambara telo. Taitra ireo mpitoraka blaogy ary miteny fa dingana fihemorana izany.